-
2 Mpanjaka 25:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa izy, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Dia lasa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany. 6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan’izy ireo momba azy. 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+
-
-
Jeremia 52:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Nenjehin’ny miaramila kaldeanina anefa i Zedekia+ Mpanjaka, ka tratrany teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Koa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany.
-
-
Jeremia 52:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.
-
-
Ezekiela 12:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hitondra ny entany eo an-tsorony ilay mpiadidy eo amin’izy ireo, ka hiainga rehefa maizina ny andro. Ary holavahany ny manda, dia havoakany eo ny entany.+ Dia hotakonany ny tarehiny mba tsy hahita ny tany izy.’ 13 Hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran’ilay harato famandrihana izy.+ Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, saingy tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+
-