-
Isaia 11:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hanidina hifaoka remby eny amin’ny tehezan-kavoanan’ny* Filistinina any andrefana izy ireo,
Ka hiaraka handroba an’ireo Tatsinanana.
-
-
Obadia 18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia ho lasa afo ny taranak’i Jakoba,
Ho lelafo ny taranak’i Josefa,
Ary ho vodivary kosa ny taranak’i Esao.
Hodoran’izy ireo sy holevoniny ny taranak’i Esao,
Ka tsy hisy ho velona intsony,+
Fa i Jehovah no efa niteny.
19 Ary ho lasan’izy ireo i Negeba sy ny faritra be tendrombohitr’i Esao,+
Sy Sefela, ary ny tanin’ny Filistinina.+
Ho lasan’izy ireo koa ny faritr’i Efraima sy ny faritr’i Samaria,+
Ary ho lasan’i Benjamina kosa i Gileada.
-