FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 9:33-37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ary tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa tao an-trano izy dia nanontany an’ireo mpianany hoe: “Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?”+ 34 Tsy niteny anefa izy ireo, satria niady hevitra hoe iza amin’izy ireo no lehibe kokoa. 35 Koa nipetraka izy dia nantsoiny izy 12 Lahy, ka noteneniny hoe: “Raha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin’ny rehetra izy sady hanompo ny rehetra.”+ 36 Naka zaza anankiray izy avy eo. Nasainy nitsangana teo afovoany ilay zaza, dia nofihininy, sady hoy izy tamin’ireo: 37 “Izay mandray zaza+ hoatran’ity amin’ny anarako, dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy, dia tsy mandray ahy fotsiny, fa mandray an’Ilay naniraka ahy koa.”+

  • Lioka 9:46-48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Ary nifamaly ny mpianatra hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra.+ 47 Fantatr’i Jesosy ny tao am-pon’izy ireo, ka nalainy ny zaza anankiray ary nasainy nitsangana teo akaikiny, 48 dia hoy izy tamin’izy ireo: “Izay mandray an’ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’Ilay naniraka ahy.+ Fa izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.”+

  • Lioka 22:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Nifamaly be koa anefa izy ireo hoe iza amin’izy ireo no noheverina ho lehibe indrindra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara