FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 12:18-23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty.+ Nanontanian’ireo izy hoe:+ 19 “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny lehilahy anankiray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an’ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.+ 20 Nisy fito mirahalahy àry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka. 21 Dia nampakatra an’ilay vehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary hoatr’izany koa ny fahatelo. 22 Samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 23 Rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.”

  • Lioka 20:27-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Nanatona azy anefa ny sasany tamin’ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty.+ Nanontanian’izy ireo izy hoe:+ 28 “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe: ‘Raha maty ny lehilahy iray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an’ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.’+ 29 Nisy fito mirahalahy àry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka. 30 Ary maty koa ny faharoa, 31 ka nampakatra an’ilay vehivavy ny fahatelo. Hoatr’izany daholo no nataon’izy fito. Samy maty tsy niteraka izy ireo. 32 Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 33 Koa rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara