-
Deoteronomia 25:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty ny anankiray nefa mbola tsy nitera-dahy, dia tsy tokony hanambady olon-kafa ivelan’ny fianakaviana ilay vady navelan’ny maty. Tokony hankany amin’ilay vehivavy ny rahalahin’ny vadiny ary hampakatra azy ho vady, izany hoe hitondra loloha azy.+ 6 Dia hitondra ny anaran’ilay rahalahiny efa maty ny zaza voalohany haterak’ilay vehivavy,+ amin’izay mba tsy ho foana eo amin’ny Israely ny anaran’ilay rahalahiny.+
-
-
Rota 1:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Hoy anefa i Naomy: “Mandehana mody, anaka! Fa maninona ianareo no hiaraka amiko? Izaho angaha mbola afaka miteraka zanakalahy ho lasa vadinareo?+
-
-
Rota 3:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Mijanòna eto androany alina. Raha hanavotra anao izy rehefa maraina ny andro, dia tsara izany! Aleo izy no hanavotra anao.+ Raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao, raha mbola velona koa i Jehovah. Fa matoria eto ihany aloha mandra-paharainan’ny andro.”
-