-
Marka 6:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Henon’i Heroda Mpanjaka izany, satria lasa nalaza ny anaran’i Jesosy. Ary hoy ny olona: “Natsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa, dia izany no ahavitany fahagagana.”+ 15 Hoy kosa ny hafa: “I Elia izay!” Nisy koa niteny hoe: “Mpaminany hoatran’ireny mpaminany fahiny ireny izay!”+ 16 Hoy anefa i Heroda rehefa naheno an’izany: “I Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany. Natsangana izany izy!”
-