-
Matio 14:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Naheno momba an’i Jesosy i Heroda lehibem-paritra, tamin’izany fotoana izany.+ 2 Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: “I Jaona Mpanao Batisa izay! Natsangana tamin’ny maty izy, dia izany no ahavitany an’izany fahagagana izany.”+ 3 I Jaona mantsy efa nosamborin’i Heroda* sy nofatorany ary nogadrainy, noho ilay olana momba an’i Herodiasy. Vadin’i Filipo rahalahin’i Heroda i Herodiasy,+ 4 ka efa notenenin’i Jaona i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny manambady azy.”+ 5 Te hamono an’i Jaona i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra izy ireo hoe mpaminany i Jaona.+
-
-
Lioka 9:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Henon’i Heroda* lehibem-paritra ny zava-drehetra nitranga, ka tena very hevitra izy satria nisy nilaza fa efa natsangana tamin’ny maty i Jaona.+ 8 Ny sasany anefa nilaza hoe i Elia no niseho, ary ny hafa indray niteny hoe ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no nitsangana tamin’ny maty.+ 9 Dia hoy i Heroda: “Raha i Jaona, dia efa notapahiko ny lohany.+ Koa iza indray àry izany reko manao an’izany zavatra izany?” Te hahita mafy an’i Jesosy àry izy.+
-