-
Matio 17:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hoy i Jesosy: “Ry taranaka tsy manam-pinoana sy ratsy fanahy,+ mandra-pahoviana aho no tsy maintsy mbola hijanona eto aminareo? Mandra-pahoviana aho no tsy maintsy handefitra aminareo? Ento atỳ amiko izy.” 18 Notenenin’i Jesosy mafy avy eo ilay demonia ka nivoaka tamin’ilay ankizilahy. Dia sitrana tamin’izay ora izay ilay ankizilahy.+
-
-
Marka 9:19-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary hoy izy: “Ry taranaka tsy manam-pinoana,+ mandra-pahoviana aho no tsy maintsy mbola hijanona eto aminareo? Mandra-pahoviana aho no tsy maintsy handefitra aminareo? Ento atỳ amiko izy.”+ 20 Koa nentin’izy ireo teo aminy ilay zazalahy. Vao nahita an’i Jesosy anefa ilay fanahy, dia nataony nifanintontsintona ilay zaza. Dia nianjera tamin’ny tany ilay zaza, ka nikodiadia sady namoaka farora-bava. 21 Ary hoy i Jesosy tamin’ny rainy: “Hafiriana izay izy no tratran’izao?” Dia hoy izy: “Hatramin’izy mbola kely. 22 Matetika izy no atsipin’ilay fanahy ao anaty afo sy ao anaty rano mba hamonoany azy. Raha mba misy azonao atao re, dia mba iantrao izahay ka ampio e!” 23 Hoy i Jesosy taminy: “‘Raha misy azonao atao’ hoe e? Tsy misy tsy vitan’ny manam-pinoana ange e!”+ 24 Tonga dia niantsoantso ny rain’ilay zaza hoe: “Manam-pinoana aho! Ampio aho mba hanam-pinoana kokoa!”+
25 Rehefa hitan’i Jesosy fa nirohotra nanatona ny vahoaka, dia noteneniny mafy ilay fanahy maloto hoe: “Ry fanahy mampahamoana sy mampaharenina, mandidy anao aho hoe: Mivoaha ao aminy dia aza miverina ao intsony!”+ 26 Dia nivoaka ilay fanahy rehefa avy niantsoantso sy nampifanintontsintona be an’ilay zaza. Lasa hoatran’ny maty ilay zaza, ka hoy ny ankamaroan’ny olona: “Maty izy!” 27 Noraisin’i Jesosy tamin’ny tanany anefa izy ka natsangany, dia nitsangana.
-