-
Zakaria 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mifalia, ry Ziona zanakavavy ô!
Manaova horakora-pandresena, ry Jerosalema zanakavavy ô!
Iny tonga atỳ aminao iny ny mpanjakanao.+
-
-
Marka 11:7-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary nentin’ireo tany amin’i Jesosy ilay zanak’ampondra,+ ka napetrak’izy ireo teo ambonin’ilay izy ny akanjon’izy ireo ivelany, dia nitaingina teo i Jesosy.+ 8 Be dia be koa ny olona namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana, fa ny an’ny sasany indray rantsankazo nisy raviny avy notapahiny tany an-tsaha.+ 9 Ary izay nandeha teo alohany sy tao aorianany dia niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re izy e!+ Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!*+ 10 Hotahina anie ilay Fanjakana ho avy, izay an’i Davida razambenay!+ Mba vonjeo re izy, ry any amin’ny avo indrindra ô!”
-