-
Asan’ny Apostoly 13:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nisy an’ireto mpaminany sy mpampianatra ireto teo anivon’ny fiangonana+ tany Antiokia: I Barnabasy, Simeona ilay antsoina hoe Nigera, Losio avy any Kyrena, Menahema izay niara-nianatra tamin’i Heroda lehibem-paritra, ary Saoly. 2 Raha mbola nanompo* an’i Jehovah* izy ireo sady nifady hanina, dia hoy ny fanahy masina: “Atokàny ho ahy i Barnabasy sy Saoly+ mba hanao ny asa iantsoako azy.”+
-