-
Hebreo 12:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Fa ny hatoninareo kosa dia Tendrombohitra Ziona+ sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra;+ sy anjely an’alinaliny 23 miara-mivory; sy ny fiangonan’ny+ lahimatoa voasoratra any an-danitra; sy Andriamanitra, ilay Mpitsara ny olona rehetra;+ sy ny olo-marina manaraka ny fitarihan’ny fanahy masina+ ka efa natao lavorary;+ 24 sy Jesosy, ilay mpanelanelana+ amin’ny fifanekena vaovao;+ ary ny ra nafafy izay miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela.+
-