REHEFA MAMPIANATRA
LESONA 12
Manàna Herim-po
Torolalana: “Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra, dia hoatr’izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.”—Ohab. 27:9.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Marka 10:17-22. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:
- Inona no toetra tsara hitan’i Jesosy tao amin’ilay tovolahy mpanankarena? 
- Nila fitiavana sy herim-po i Jesosy mba hanomezana torohevitra an’ilay lehilahy. Nahoana? 
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Raha te hanampy an’ilay mpianatra handroso isika dia mila miresaka aminy amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.
Tahafo i Jesosy
3. Ampio ilay mpianatra mba hanana tanjona sy hanatratra an’izany.
- a. Ampiasao ilay efajoro hoe “Tanjona” ao amin’ny lesona tsirairay ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! 
- b. Ampio izy hahita hoe inona no tokony hataony mba hanatratrarana tanjona madinidinika sy tanjona lavitra ezaka. 
- d. Ankasitraho foana izy amin’izay ezaka ataony. 
4. Fantaro hoe inona no misakana azy tsy handroso, dia ampio izy.
- Saintsaino izao: - ‘Raha tsy vonona ho amin’ny batisa ny mpianatro, dia inona no misakana azy?’ 
- ‘Inona no azoko anampiana azy?’ 
 
- Mivavaha mba hanana herim-po sy ho be fitiavana ary tsy hiolakolaka rehefa manazava amin’ilay mpianatra hoe inona no tokony hataony. 
5. Ajanòny ny fianarana raha tsy mandroso izy.
- Diniho ireto mba hahitanao raha mandroso ny mpianatrao: - ‘Ampihariny ve ny zavatra ianarany?’ 
- ‘Manatrika fivoriana sy miresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana ve izy?’ 
- ‘Te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ve izy rehefa avy nianatra elaela?’ 
 
- Raha tsy vonona ny handroso izy dia: - Asaivo mandinika izy hoe inona no misakana azy. 
- Miezaha ho tsara fanahy rehefa manazava aminy hoe maninona no ajanonao ny fianarany. 
- Ampahafantaro azy hoe inona no tokony hiezahany, mba ho afaka hianatra indray izy rehefa vonona.