FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.11 6
  • 8-14 Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 8-14 Desambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.11 6

8-14 DESAMBRA

ISAIA 6-8

Hira 75 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Miandrandra ny lanitra i Isaia ary manaiky ho lasa mpitondra tenin’Andriamanitra.

1. “Intỳ Aho Iraho!”

(10 min.)

Tsy nisalasala i Isaia fa tonga dia vonona rehefa nirahina ho lasa mpitondra tenin’Andriamanitra (Is 6:8; ip-1 94-95 § 14)

Sarotra be ilay asa nasaina nataon’i Isaia (Is 6:9, 10; ip-1 95-96 § 16 )

Hoatran’ny asa nampanaovina an’i Isaia ny nataon’i Jesosy. Betsaka ny olona tsy nihaino an’i Isaia, dia hoatr’izany koa tamin’i Jesosy (Mt 13:13-15; ip-1 99 § 23)

Mitory ny hafatr’i Jehovah amin’ny Israelita maromaro eny an-tsena i Isaia. Tsy miraharaha azy ny sasany, moa ny hafa tezitra sady miala.

SAINTSAINO IZAO: Ahoana no azoko ampisehoana hoe te hanompo bebe kokoa an’i Jehovah hoatran’i Isaia aho?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 8:1-4​—Inona no azon’ny mpivady hianarana avy amin’i Isaia sy ny vadiny? (w21.11 46:9-10)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 8:4-5 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Miresaha hevitra iray ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A amin’ny bokikely Tiavo ny Olona. (lmd 4:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 9:3)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Atoroy an’ilay olona ny fomba fianarana Baiboly. (lmd 9:5)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 83

7. Ny Fitoriana Isan-trano no Tena Mampiavaka Antsika

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mandeha mitory isan-trano hoatran’i Jesosy sy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia izany no ahafantarana an-dry zareo.​—Lk 10:5; As 5:42.

Tsy nandeha nitory isan-trano aloha isika nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Mbola nitory ny vaovao tsara foana anefa isika fa tamin’ny taratasy na tamin’ny telefaonina na tamin’izay olona tafaresaka tamintsika. Tsara be ireo fomba fitory ireo, dia faly isika hoe afaka nianatra an’ireny sady lasa nahay kokoa an’ilay izy. Mbola ny fitoriana isan-trano ihany anefa no fomba lehibe indrindra ampitantsika ny vaovao tsara. Afaka mitory isan-trano tsy tapaka àry ve ianao?

Nahoana ny fitoriana isan-trano no manampy antsika...

  • hamita tsara ny faritanintsika?

  • hahay hampianatra kokoa sy hanana toetra tsara, ohatra hoe be herim-po sy tsy manavakavaka ary mahafoy tena?

  • hanomboka fampianarana Baiboly?

Sary avy amin’ilay video hoe “Mitory Foana na Tsara na Ratsy ny Andro”: Anabavy roa mitory amin’ny vehivavy iray eo am-baravarany.

Alefaso ilay VIDEO hoe Mitory Foana na Tsara na Ratsy ny Andro. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Tena mazoto ny mpitory any amin’ny Nosy Féroé. Inona no ianaranao avy amin-dry zareo?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 12:1-4

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 3 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara