15-21 DESAMBRA
ISAIA 9-10
Hira 77 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Faminaniana Momba An’ilay “Hazavana Be”
(10 min.)
Hisy “hazavana be” any Galilia (Is 9:1, 2; Mt 4:12-16; w25.06 25:12)
Be dia be ny olona nandray an’ilay hazavana be, dia lasa faly (Is 9:2; ip-1 126-128 § 18-19)
Haharitra mandrakizay ny soa entin’ilay hazavana be (Is 9:4; ip-1 128-129 § 21)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Is 9:6—Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “Ray Mandrakizay”? (w21.04 16:1-2)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Mpivavaka ilay olona fa tsy Kristianina. (lmd 1:4)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Ilay taratasy mivalona nomenao azy tamin’ny farany anohizana ny resaka. (lmd 9:3)
6. Hazavao ny Zavatra Inoanao
Hira 95
7. Mihamazava Tsikelikely ny Hazavana
(5 min.) Fiaraha-midinika.
Mandroso foana ny fandaminan’i Jehovah. Ary ianao? Miara-mandroso amin’io fandaminana io ve ianao? Andao isika hiresaka zavatra telo ahitana hoe mandroso ny fandaminan’i Jehovah. Hojerentsika koa hoe inona ny soa azo avy amin’izany.
Lasa mazava kokoa amintsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Manorata iray amin’izany. Soraty koa ny soa azontsika rehefa lasa nahafantatra an’ilay izy.—Oh 4:18
Mihatsara ny fomba fitory sady lasa mandaitra kokoa. Manorata iray amin’izany. Soraty koa hoe nahoana izany no manampy antsika hamita an’ilay asa asain’i Jesosy ataontsika.—Mt 28:19, 20
Novana ny sasany tamin’ny fomba fiasan’ny fandaminana. Manoratra iray amin’izany. Soraty koa ny fitahiana azontsika vokatr’ilay izy.—Is 60:17
8. Zava-bitan’ny Fandaminana tokony halefa amin’ity Desambra ity
(10 min.) Alefaso ilay VIDEO.
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) lff 12:5