Talata 30 Septambra
Tsy mivadika amin’ny teniny ... Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.—1 Kor. 10:13.
Hahazo hery hanoherana fakam-panahy ianao, raha misaintsaina an’ilay vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ianao ve, ohatra, dia hanomboka hanadaladala vadin’olona? Sanatria izany! Efa nanda tsy hanao an’izany mantsy ianao. Hisoroka fahoriana àry ianao, satria tsy voatery hiady amin’ny fihetseham-po ratsy raha efa namaka tao am-ponao ilay izy. ‘Hivily’ ianao, fa tsy handeha “amin’ny lalan’ny ratsy fanahy.” (Ohab. 4:14, 15) Eritrereto i Jesosy. Tapa-kevitra hampifaly ny Rainy izy. Raha mitadidy an’izany ianao, dia tonga dia holavinao an-kitsirano izay rehetra tsy mampifaly an’ilay Andriamanitra nanokananao tena. (Mat. 4:10; Jaona 8:29) Ireny fitsapana sy fakam-panahy ireny, raha ny marina, no hirika ahafahanao mampiseho hoe tapa-kevitra ny ‘hanaraka foana’ an’i Jesosy ianao. Rehefa manao an’izany ianao, dia matokia fa hanampy anao i Jehovah. w24.03 10:8-10
Alarobia 1 Oktobra
Ny fahendrena avy any ambony ... dia ... vonona hankatò.—Jak. 3:17.
Sarotra aminao ve ny mankatò indraindray? Hoatr’izany i Davida Mpanjaka, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankatò anao.” (Sal. 51:12) Tia an’i Jehovah i Davida. Na izany aza, dia sarotra taminy ny nankatò indraindray, hoatr’antsika ihany. Fa maninona? Voalohany, satria anisan’ny toetra nolovantsika ilay hoe tsy mora mankatò. Faharoa, miezaka foana i Satana mba hitarika antsika hikomy hoatr’azy. (2 Kor. 11:3) Fahatelo, olona manana toe-tsaina tia mikomy no manodidina antsika, izany hoe “toe-tsaina manjaka amin’izao ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (Efes. 2:2) Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota, sy mba tsy hotaomin’ny Devoly sy izao tontolo izao tsy hankatò koa. Tsy maintsy manao izay fara herintsika isika mba hankatoavana an’i Jehovah sy izay nomeny fahefana. w23.10 42:1
Alakamisy 2 Oktobra
Ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.—Jaona 2:10.
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanova ny rano ho divay? Hoe ilaina ny manetry tena. Tsy nirehareha tamin’ny fahagagana nataony i Jesosy. Raha ny marina aza, dia tsy mba dedadedaka tamin’ny zava-bitany mihitsy izy. Nanetry tena kosa izy, ka ny Rainy foana no nomeny ny dera sy voninahitra rehetra. (Jaona 5:19, 30; 8:28) Raha manetry tena hoatran’i Jesosy isika, dia tsy hidera tena amin’izay zava-bitantsika. Aleo mirehareha amin’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika, toy izay mirehareha amin’ny tenantsika. (Jer. 9:23, 24) Andao àry izy no hoderaintsika, satria mendrika an’izany izy. Inona koa moa no ho vitantsika eo raha tsy eo izy? (1 Kor. 1:26-31) Raha manetry tena isika, dia tsy hitady dera amin’ny zavatra tsara nataontsika ho an’ny hafa. Efa afa-po isika mahafantatra hoe hitan’i Jehovah sy sarobidy aminy izay ataontsika. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2-4; Heb. 13:16) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy.—1 Pet. 5:6. w23.04 15:9, 11-12