FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alarobia 1 Oktobra

Ny fahendrena avy any ambony ... dia ... vonona hankatò.​—Jak. 3:17.

Sarotra aminao ve ny mankatò indraindray? Hoatr’izany i Davida Mpanjaka, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankatò anao.” (Sal. 51:12) Tia an’i Jehovah i Davida. Na izany aza, dia sarotra taminy ny nankatò indraindray, hoatr’antsika ihany. Fa maninona? Voalohany, satria anisan’ny toetra nolovantsika ilay hoe tsy mora mankatò. Faharoa, miezaka foana i Satana mba hitarika antsika hikomy hoatr’azy. (2 Kor. 11:3) Fahatelo, olona manana toe-tsaina tia mikomy no manodidina antsika, izany hoe “toe-tsaina manjaka amin’izao ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (Efes. 2:2) Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota, sy mba tsy hotaomin’ny Devoly sy izao tontolo izao tsy hankatò koa. Tsy maintsy manao izay fara herintsika isika mba hankatoavana an’i Jehovah sy izay nomeny fahefana. w23.10 42:1

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 2 Oktobra

Ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.​—Jaona 2:10.

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanova ny rano ho divay? Hoe ilaina ny manetry tena. Tsy nirehareha tamin’ny fahagagana nataony i Jesosy. Raha ny marina aza, dia tsy mba dedadedaka tamin’ny zava-bitany mihitsy izy. Nanetry tena kosa izy, ka ny Rainy foana no nomeny ny dera sy voninahitra rehetra. (Jaona 5:19, 30; 8:28) Raha manetry tena hoatran’i Jesosy isika, dia tsy hidera tena amin’izay zava-bitantsika. Aleo mirehareha amin’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika, toy izay mirehareha amin’ny tenantsika. (Jer. 9:23, 24) Andao àry izy no hoderaintsika, satria mendrika an’izany izy. Inona koa moa no ho vitantsika eo raha tsy eo izy? (1 Kor. 1:26-31) Raha manetry tena isika, dia tsy hitady dera amin’ny zavatra tsara nataontsika ho an’ny hafa. Efa afa-po isika mahafantatra hoe hitan’i Jehovah sy sarobidy aminy izay ataontsika. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2-4; Heb. 13:16) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy.​—1 Pet. 5:6. w23.04 15:9, 11-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 3 Oktobra

Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.​—Fil. 2:4.

Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nampirisika ny Kristianina mba hitady izay hahasoa ny hafa. Ahoana no ampiharantsika an’izany mandritra ny fivoriana? Tadidio hoe mba te hamaly hoatr’antsika koa ry zareo. Saintsaino izao: Mibodo resaka ve ianao rehefa miaraka amin’ny namanao ka tsy misy handaharana mihitsy? Mazava ho azy fa tsia! Tianao raha mba mandray anjara amin’ilay resaka koa ry zareo. Hoatr’izany koa mandritra ny fivoriana. Tiantsika raha betsaka araka izay azo atao no mamaly. Avelantsika hanambara ny finoany ry zareo. Izany mantsy no anisan’ny fomba tsara indrindra hampaherezantsika ny rahalahy sy anabavintsika. (1 Kor. 10:24) Ataovy fohy ny valin-teninao mba ho betsaka kokoa no afaka mamaly. Na fohy aza ny valin-teninao, dia aza miresaka hevitra be loatra. Raha resahinao daholo mantsy ny hevitra ao amin’ilay fehintsoratra, dia inona intsony no horesahin’ny hafa? w23.04 18:11-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara