FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Talata 7 Oktobra

[Aoka] hanome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tenanareo.​—Kol. 1:10.

Tsy afaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. Tamin’io mantsy no nanomboka nisy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47; Isaia 35:8) Ara-potoana tsara izany satria handray an’ireo olona tso-po handeha amin’ilay lalana vao nisokatra ry zareo, izany hoe ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Soa ihany fa nisy olona tsy nivadika efa nanomana an’ilay lalana taloha, dia lasa afaka nahafantatra kokoa momba ny fikasan’i Jehovah ireo nanomboka nandeha tamin’io lalambe io. (Ohab. 4:18) Lasa afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay notakin’i Jehovah koa ry zareo. Tsy nanantena anefa izy hoe hahavita hanova ny zava-drehetra indray mandeha ny vahoakany. Nodioviny tsikelikely kosa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. Ho sambatra erỳ isika rehefa mahavita mampifaly an’ilay Andriamanitsika amin’ny zava-drehetra ataontsika! Mila kojakojaina matetika ny lalana. Hoatr’izany koa ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Nohatsaraina foana izy io nanomboka tamin’ny 1919, amin’izay betsaka kokoa ny olona afaka miala ao amin’i Babylona Lehibe. w23.05 22:15-16

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 8 Oktobra

Tsy handao anao mihitsy aho.​—Heb. 13:5.

Ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy no mampiofana an’ireo mpanampy azy amin’ireo komity isan-karazany iandraiketany. Miantsoroka andraikitra mavesatra ireny mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana ireny amin’izao, nefa vitany tsara ilay izy. Vonona tsara hanohy hikarakara ny ondrin’i Kristy ry zareo. Rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra farany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia mbola hisy foana ny fivavahana madio eto an-tany. Noho i Jesosy Kristy mitarika an-dry zareo, dia tsy hisy mpanompon’Andriamanitra hahatsapa hoe very. Marina hoe hanafika antsika ny firenena maromaro mitambatra antsoina hoe Goga avy any Magoga amin’izay fotoana izay. (Ezek. 38:18-20) Ho vetivety ihany anefa izany sady tsy hahomby, ary tsy hahasakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanompo an’i Jehovah. Tena hamonjy an-dry zareo mantsy izy! Rehefa nahazo fahitana i Jaona, dia nahita “vahoaka be” anisan’ny ondry hafan’i Kristy. Nolazaina taminy hoe “avy tamin’ny fahoriana lehibe” io “vahoaka be” io. (Apok. 7:9, 14) Ho voaro àry ry zareo! w24.02 5:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 9 Oktobra

Aza vonoina ny afon’ny fanahy.​—1 Tes. 5:19.

Inona no azontsika atao mba hahazoana ny fanahy masina? Afaka mangataka azy io amin’ny vavaka isika, mianatra ny Tenin’Andriamanitra nomeny tamin’ny alalan’ny fanahiny, ary miaraka amin’ilay fandaminana tarihin’io fanahy io. Hanana “ny vokatry ny fanahy” isika raha manao an’ireo. (Gal. 5:22, 23) Izay madio saina foana sy tsara fitondran-tena ihany mantsy no omeny azy io. Tsy omeny ny fanahiny intsony isika, raha manana eritreri-dratsy sy manatanteraka an’izany. (1 Tes. 4:7, 8) Tsy tokony ‘hanao tsinontsinona ny faminaniana’ koa isika, raha te hahazo fanahy masina foana. (1 Tes. 5:20) Ny hafatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ilay hoe “faminaniana” eto, anisan’izany ny momba ny andron’i Jehovah sy ilay hoe efa akaiky ny farany. Tsy hahemotsika ao an-tsaina io andro io, ka hieritreritra isika hoe tsy ho tonga amin’ny androntsika ny Aramagedona. Ataontsika an-tsaina foana kosa izy io. Ahoana no anaovantsika an’izany? Miezaka manana fitondran-tena tsara foana isika, ary ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra.’​—2 Pet. 3:11, 12. w23.06 26:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara