Alatsinainy 6 Oktobra
[Nivavaka aho], dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.—1 Sam. 1:27.
Nahazo fahitana mahavariana ny apostoly Jaona. Nahita anti-panahy 24 tany an-danitra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo. Nidera an’Andriamanitra ireo anti-panahy ireo, ary nilaza fa mendrika ny homena “voninahitra sy haja ary hery” izy. (Apok. 4:10, 11) Manana antony be dia be hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah koa ny anjely tsy mivadika. Any an-danitra miaraka aminy mantsy ry zareo, ary efa mahafantatra azy tsara. Mahita ny toetra tsarany ry zareo sady lasa te hidera azy rehefa mandinika an’izay ataony. (Joba 38:4-7) Tokony hidera an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka, izany hoe hilaza aminy an’izay itiavantsika azy sy izay ankasitrahantsika momba azy. Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia ezaho karohina izay toetran’i Jehovah tena manintona anao. (Joba 37:23; Rom. 11:33) Lazao aminy avy eo izay tsapanao momba an’ireny toetrany ireny. Afaka midera an’i Jehovah koa isika noho izy manampy antsika sy ny mpiara-manompo amintsika maneran-tany.—1 Sam. 2:1, 2. w23.05 20:6-7
Talata 7 Oktobra
[Aoka] hanome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tenanareo.—Kol. 1:10.
Tsy afaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. Tamin’io mantsy no nanomboka nisy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47; Isaia 35:8) Ara-potoana tsara izany satria handray an’ireo olona tso-po handeha amin’ilay lalana vao nisokatra ry zareo, izany hoe ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Soa ihany fa nisy olona tsy nivadika efa nanomana an’ilay lalana taloha, dia lasa afaka nahafantatra kokoa momba ny fikasan’i Jehovah ireo nanomboka nandeha tamin’io lalambe io. (Ohab. 4:18) Lasa afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay notakin’i Jehovah koa ry zareo. Tsy nanantena anefa izy hoe hahavita hanova ny zava-drehetra indray mandeha ny vahoakany. Nodioviny tsikelikely kosa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. Ho sambatra erỳ isika rehefa mahavita mampifaly an’ilay Andriamanitsika amin’ny zava-drehetra ataontsika! Mila kojakojaina matetika ny lalana. Hoatr’izany koa ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Nohatsaraina foana izy io nanomboka tamin’ny 1919, amin’izay betsaka kokoa ny olona afaka miala ao amin’i Babylona Lehibe. w23.05 22:15-16
Alarobia 8 Oktobra
Tsy handao anao mihitsy aho.—Heb. 13:5.
Ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy no mampiofana an’ireo mpanampy azy amin’ireo komity isan-karazany iandraiketany. Miantsoroka andraikitra mavesatra ireny mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana ireny amin’izao, nefa vitany tsara ilay izy. Vonona tsara hanohy hikarakara ny ondrin’i Kristy ry zareo. Rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra farany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia mbola hisy foana ny fivavahana madio eto an-tany. Noho i Jesosy Kristy mitarika an-dry zareo, dia tsy hisy mpanompon’Andriamanitra hahatsapa hoe very. Marina hoe hanafika antsika ny firenena maromaro mitambatra antsoina hoe Goga avy any Magoga amin’izay fotoana izay. (Ezek. 38:18-20) Ho vetivety ihany anefa izany sady tsy hahomby, ary tsy hahasakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanompo an’i Jehovah. Tena hamonjy an-dry zareo mantsy izy! Rehefa nahazo fahitana i Jaona, dia nahita “vahoaka be” anisan’ny ondry hafan’i Kristy. Nolazaina taminy hoe “avy tamin’ny fahoriana lehibe” io “vahoaka be” io. (Apok. 7:9, 14) Ho voaro àry ry zareo! w24.02 5:13-14