Talata 25 Novambra
Ny vehivavy ... rehefa mihaingo, dia tokony hanao akanjo mendrika sy maotina. ... Tokony hifanentana ... amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra ny haingon’izy ireo.—1 Tim. 2:9, 10.
Asehon’ny teny grika nampiasaina eo hoe tokony ho mendrika ny fitafian’ny vehivavy kristianina, ary tokony ho hita hoe hajainy ny fihetseham-pon’ny hafa na ny heviny. Tena faly isika manana anabavy kristianina matotra manao akanjo maotina hoatr’izany. Mila mahay manavaka ny anabavy kristianina matotra rehetra. Fa inona no dikan’ny hoe mahay manavaka? Mahalala ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy, dia mifidy ny hanao ny tsara. Diniho ny ohatr’i Abigaila. Tsy nety ny fanapahan-kevitry ny vadiny, dia ny ankohonany manontolo no mety ho nizaka ny vokany. Tonga dia nanao zavatra àry i Abigaila. Nahay nanavaka izy, dia ain’olona maro no voavonjy. (1 Sam. 25:14-23, 32-35) Raha mahay manavaka koa isika, dia hahafantatra hoe rahoviana no tokony hiteny na hangina. Hanampy antsika hahay handanjalanja koa izany, rehefa miahy ny hafa isika.—1 Tes. 4:11. w23.12 52:8-9
Alarobia 26 Novambra
Aoka ... isika hifaly noho ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.—Rom. 5:2.
Ny fiangonana tany Roma no nanoratan’ny apostoly Paoly an’ireo. Efa nianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy, naneho finoana, ary lasa Kristianina ny rahalahy sy anabavy tany. ‘Nambaran’Andriamanitra hoe olo-marina’ àry ry zareo ‘noho ny finoany’, ary nohosorany fanahy masina. (Rom. 5:1) Lasa nanana fanantenana tsara be ireo Kristianina ireo, sady azony antoka hoe ho tanteraka ilay izy. Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Efesosy i Paoly tatỳ aoriana. Niresaka momba ny fanantenana nomena an-dry zareo izy, anisan’izany ilay hoe hahazo ny “lovan’ny olona masina.” (Efes. 1:18) Noresahin’i Paoly tamin’ny Kolosianina koa hoe aiza ny fanantenan-dry zareo. Ilay “fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra” no niantsoany azy io. (Kol. 1:4, 5) Inona izany no fanantenan’ny Kristianina voahosotra? Ny hatsangana amin’ny maty mba ho velona mandrakizay any an-danitra, dia hiara-manjaka amin’i Kristy any.—1 Tes. 4:13-17; Apok. 20:6. w23.12 51:4-5
Alakamisy 27 Novambra
Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.—Fil. 4:7.
Ilazana miaramila maromaro niambina sy niaro tanàna ilay teny nadika hoe “hiambina.” Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria nahafantatra hoe nisy miaramila niambina teny am-bavahady. Hoatr’izany koa fa tony isika rehefa miambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, satria mahafantatra hoe voaro. (Sal. 4:8) Na tsy milamina eo no ho eo aza ilay olana, hoatran’ny tamin’ny an’i Hana, dia mbola afaka ny ho tony ihany isika. (1 Sam. 1:16-18) Matetika no mora kokoa amin’izay ny hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra. Inona no azontsika atao? Rehefa mitaintaina ianao, dia antsoy ilay mpiambina. Ahoana no hanaovana an’izany? Mivavaha mandra-pahazoanao an’ilay fiadanan’Andriamanitra. (Lioka 11:9; 1 Tes. 5:17) Raha miatrika fotoan-tsarotra koa ianao, dia mivavaha foana fa ho hitanao hoe hiambina ny fonao sy ny sainao ilay fiadanan’i Jehovah.—Rom. 12:12. w24.01 3:5-6