Alarobia 26 Novambra
Aoka ... isika hifaly noho ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.—Rom. 5:2.
Ny fiangonana tany Roma no nanoratan’ny apostoly Paoly an’ireo. Efa nianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy, naneho finoana, ary lasa Kristianina ny rahalahy sy anabavy tany. ‘Nambaran’Andriamanitra hoe olo-marina’ àry ry zareo ‘noho ny finoany’, ary nohosorany fanahy masina. (Rom. 5:1) Lasa nanana fanantenana tsara be ireo Kristianina ireo, sady azony antoka hoe ho tanteraka ilay izy. Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Efesosy i Paoly tatỳ aoriana. Niresaka momba ny fanantenana nomena an-dry zareo izy, anisan’izany ilay hoe hahazo ny “lovan’ny olona masina.” (Efes. 1:18) Noresahin’i Paoly tamin’ny Kolosianina koa hoe aiza ny fanantenan-dry zareo. Ilay “fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra” no niantsoany azy io. (Kol. 1:4, 5) Inona izany no fanantenan’ny Kristianina voahosotra? Ny hatsangana amin’ny maty mba ho velona mandrakizay any an-danitra, dia hiara-manjaka amin’i Kristy any.—1 Tes. 4:13-17; Apok. 20:6. w23.12 51:4-5
Alakamisy 27 Novambra
Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.—Fil. 4:7.
Ilazana miaramila maromaro niambina sy niaro tanàna ilay teny nadika hoe “hiambina.” Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria nahafantatra hoe nisy miaramila niambina teny am-bavahady. Hoatr’izany koa fa tony isika rehefa miambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, satria mahafantatra hoe voaro. (Sal. 4:8) Na tsy milamina eo no ho eo aza ilay olana, hoatran’ny tamin’ny an’i Hana, dia mbola afaka ny ho tony ihany isika. (1 Sam. 1:16-18) Matetika no mora kokoa amin’izay ny hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra. Inona no azontsika atao? Rehefa mitaintaina ianao, dia antsoy ilay mpiambina. Ahoana no hanaovana an’izany? Mivavaha mandra-pahazoanao an’ilay fiadanan’Andriamanitra. (Lioka 11:9; 1 Tes. 5:17) Raha miatrika fotoan-tsarotra koa ianao, dia mivavaha foana fa ho hitanao hoe hiambina ny fonao sy ny sainao ilay fiadanan’i Jehovah.—Rom. 12:12. w24.01 3:5-6
Zoma 28 Novambra
Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!—Mat. 6:9.
Niaritra ny mafy i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’ny Rainy. Nampijalijalina izy, nitenenana ratsy, ary nendrikendrehina. Fantany hoe nankatò ny Rainy tamin’ny zava-drehetra izy, ary tsy nisy tokony hahamenatra azy. (Heb. 12:2) Fantany koa hoe nanafika azy mivantana i Satana tamin’ireny fotoana nanjombona ireny. (Lioka 22:2-4; 23:33, 34) Nanantena i Satana hoe hahavita hampivadika an’i Jesosy, saingy niala maina. Noporofoin’i Jesosy fa mpandainga ratsy i Satana, ary tena misy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aminy, na dia iharan’ny fitsapana faran’izay mafy aza! Te hampifaly an’ilay Mpanjakanao efa am-perinasa ve ianao? Derao foana àry ny anaran’i Jehovah, ary ampio ny hafa hahafantatra ny tena maha izy an’ilay Andriamanitsika. Manaraka ny dian’i Jesosy ianao rehefa manao an’izany. (1 Pet. 2:21) Mampifaly an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jesosy ianao, ary manaporofo hoe tena mpandainga ratsy fanahy i Satana, ilay fahavalony. w24.02 6:11-13