Alakamisy 6 Novambra
Mahaiza misaotra amin’ny zava-drehetra.—1 Tes. 5:18.
Betsaka ny antony azontsika isaorana an’i Jehovah rehefa mivavaka isika. Afaka misaotra azy isika noho izay zavatra tsara ananantsika. Avy aminy daholo mantsy ny fanomezana tsara rehetra. (Jak. 1:17) Ankasitraho, ohatra, izy noho ny hakanton’ity tany ity sy ny zavaboary mahavariana noforoniny. Isaory koa izy satria nanome anao ny aina, fanantenana, ny fianakavianao, ary ny namanao. Aza hadinoina koa ny misaotra azy, satria avelany minamana aminy ianao, ary tena sarobidy izany. Mila manao ezaka manokana angamba isika tsirairay, mba hieritreretana hoe inona avy ny antony tokony hankasitrahantsika an’i Jehovah. Tsy mahay mankasitraka mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Matetika ry zareo no mifantoka amin’izay ilainy, fa tsy amin’izay azony atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay efa ananany izy. Raha mifindra amintsika izany toe-tsaina izany, dia lasa lisitra-na fangatahana fotsiny ny vavaka ataontsika. Ahoana àry no hisorohana an’izany? Mila manohy mianatra mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika isika, ary mampiseho an’izany foana.—Lioka 6:45. w23.05 20:8-9
Zoma 7 Novambra
[Mangataha] amim-pinoana foana, ary [aza misalasala] mihitsy.—Jak. 1:6.
Ray be fitiavana i Jehovah ka tsy tiany ny mahita antsika mijaly. (Isaia 63:9) Na izany aza, dia tsy hoe sakanany daholo ny fitsapana mahazo antsika. Azo oharina amin’ny renirano na afo izy ireny. (Isaia 43:2) Mampanantena anefa izy hoe ‘hanampy antsika hiampita’ renirano sy ‘handeha’ eo amin’ny afo. Tsy misy fitsapana avelany hisakana antsika tsy hanompo azy koa. Ankoatra izay, dia omen’i Jehovah fanahy masina isika mba hanampiana antsika hiaritra. (Lioka 11:13; Fil. 4:13) Afaka matoky àry isika hoe hanana an’izay rehetra ilaina foana isika, mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika aminy. Manantena i Jehovah hoe hatoky azy isika. (Heb. 11:6) Indraindray hoatran’ny hoe mihoatra ny loha mihitsy ny fitsapana mianjady amintsika. Mety hanomboka hisalasala aza isika raha tena hanampy antsika i Jehovah. Manome toky anefa ny Baiboly hoe noho ny herin’Andriamanitra, dia hahavita ‘hianika manda’ isika. (Sal. 18:29) Tsy tsara àry ny misalasala fa aleo kosa manam-pinoana foana rehefa mivavaka, ary matoky hoe hamaly an’izany i Jehovah.—Jak. 1:6, 7. w23.11 49:8-9
Asabotsy 8 Novambra
Toy ny lelafo miredareda [ny fitiavana], dia lelafo avy amin’i Jah.—Tonon. 8:6, 7.
Kanto erỳ izany fomba ilazana ny tena fitiavana izany! Manome toky ny mpivady ireo teny ireo hoe afaka ny tsy ho lefy mandrakizay ny fifankatiavan’izy ireo. Tsy voatery ho lefy tokoa ny fifankatiavan’ny mpivady mandritra ny androm-piainany. Miankina amin-dry zareo ihany anefa izany. Andao isika haka ohatra. Afaka ny hirehitra foana ny afon-dasy, kanefa tsy maintsy ampiana kitay. Raha avela amin’izao fotsiny mantsy ilay afo dia ho faty amin’ny farany. Hoatr’izany koa ny fifankatiavan’ny mpivady. Afaka ny hifankatia be foana ry zareo, nefa tsy maintsy kolokoloina ilay fifandraisana. Indraindray anefa mety hihamangatsiaka ny fifankatiavan’izy roa, indrindra rehefa manana olana ara-bola ry zareo, tsy salama, na sahirana amin’ny fitaizan-janaka. Tsy maintsy samy miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah ny mpivady, mba tsy ho faty ilay “lelafo avy amin’i Jah.” w23.05 23:1-3