Zoma 7 Novambra
[Mangataha] amim-pinoana foana, ary [aza misalasala] mihitsy.—Jak. 1:6.
Ray be fitiavana i Jehovah ka tsy tiany ny mahita antsika mijaly. (Isaia 63:9) Na izany aza, dia tsy hoe sakanany daholo ny fitsapana mahazo antsika. Azo oharina amin’ny renirano na afo izy ireny. (Isaia 43:2) Mampanantena anefa izy hoe ‘hanampy antsika hiampita’ renirano sy ‘handeha’ eo amin’ny afo. Tsy misy fitsapana avelany hisakana antsika tsy hanompo azy koa. Ankoatra izay, dia omen’i Jehovah fanahy masina isika mba hanampiana antsika hiaritra. (Lioka 11:13; Fil. 4:13) Afaka matoky àry isika hoe hanana an’izay rehetra ilaina foana isika, mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika aminy. Manantena i Jehovah hoe hatoky azy isika. (Heb. 11:6) Indraindray hoatran’ny hoe mihoatra ny loha mihitsy ny fitsapana mianjady amintsika. Mety hanomboka hisalasala aza isika raha tena hanampy antsika i Jehovah. Manome toky anefa ny Baiboly hoe noho ny herin’Andriamanitra, dia hahavita ‘hianika manda’ isika. (Sal. 18:29) Tsy tsara àry ny misalasala fa aleo kosa manam-pinoana foana rehefa mivavaka, ary matoky hoe hamaly an’izany i Jehovah.—Jak. 1:6, 7. w23.11 49:8-9
Asabotsy 8 Novambra
Toy ny lelafo miredareda [ny fitiavana], dia lelafo avy amin’i Jah.—Tonon. 8:6, 7.
Kanto erỳ izany fomba ilazana ny tena fitiavana izany! Manome toky ny mpivady ireo teny ireo hoe afaka ny tsy ho lefy mandrakizay ny fifankatiavan’izy ireo. Tsy voatery ho lefy tokoa ny fifankatiavan’ny mpivady mandritra ny androm-piainany. Miankina amin-dry zareo ihany anefa izany. Andao isika haka ohatra. Afaka ny hirehitra foana ny afon-dasy, kanefa tsy maintsy ampiana kitay. Raha avela amin’izao fotsiny mantsy ilay afo dia ho faty amin’ny farany. Hoatr’izany koa ny fifankatiavan’ny mpivady. Afaka ny hifankatia be foana ry zareo, nefa tsy maintsy kolokoloina ilay fifandraisana. Indraindray anefa mety hihamangatsiaka ny fifankatiavan’izy roa, indrindra rehefa manana olana ara-bola ry zareo, tsy salama, na sahirana amin’ny fitaizan-janaka. Tsy maintsy samy miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah ny mpivady, mba tsy ho faty ilay “lelafo avy amin’i Jah.” w23.05 23:1-3
Alahady 9 Novambra
Aza matahotra.—Dan. 10:19.
Inona no mila ataonao mba ho be herim-po? Mampirisika anao hanana an’io toetra io angamba ny ray aman-dreninao. Na be herim-po aza anefa ry zareo, dia tsy azony afindra fotsiny hoatran’ny lova izy io. Hoatran’ny mianatra zava-baovao ny miezaka ho be herim-po. Hahay tsara an’ilay izy, ohatra, ianao raha mandinika tsara ny ataon’ilay mpampianatra, dia avy eo manao hoatr’azy. Ho be herim-po koa isika, raha mandinika tsara ny fomba ampisehoan’ny hafa an’io toetra io, dia avy eo manao hoatran-dry zareo. Mila mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra hoatran’i Daniela isika. Tsy maintsy miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah koa isika, ka mamboraka aminy matetika an’izay ao am-pontsika. Tsy izay ihany, fa mila matoky azy isika, ka resy lahatra hoe manampy antsika izy. Hahavita ho be herim-po isika amin’izay, rehefa misy fitsapana. Hajain’ny hafa izay olona be herim-po. Mety hahatonga an’ireo tso-po ho te hanatona an’i Jehovah koa ny olona hoatr’izany. Tena tokony hiezaka ho be herim-po àry isika! w23.08 33:2, 8-9