Alahady 3 Aogositra
[Andao isika] hifampahery.—Heb. 10:25.
Ahoana raha tsy mahazo aina ianao raha vao mieritreritra fotsiny hoe hamaly any am-pivoriana? Mahasoa ny hoe manomana tsara. (Ohab. 21:5) Ho mora kokoa aminao ny hamaly raha azonao tsara ilay fianarana. Ataovy fohy koa ny valin-teninao. (Ohab. 15:23; 17:27) Tsy dia hanahy loatra mantsy ianao raha fohy izany, ohatra hoe fehezanteny iray na roa fotsiny. Ho hita hoe nanomana tsara ianao sady azonao tsara ilay fianarana, raha manome valin-teny fohy amin’ny fomba fiteninao ianao. Ahoana raha efa niezaka nanaraka ny sasany tamin’ireo soso-kevitra ireo ianao, nefa mbola mitebiteby foana ka tsy mahavita mamaly mihoatra ny indray mandeha na indroa? Matokia fa faly i Jehovah rehefa miezaka manao izay vitanao ianao. (Lioka 21:1-4) Ny hoe manome ny tsara indrindra mantsy tsy midika hoe manezakezaka manao izay tsy ho vita. (Fil. 4:5) Fantaro hoe inona no azonao atao, dia ataovy tanjona ny hanao an’ilay izy, ary mivavaha mba hanana fo tony. Mety hoe ny hanome valin-teny fohy iray izany tanjona izany amin’ny voalohany. w23.04 18:6-8
Alatsinainy 4 Aogositra
[Anaovy ny] fiarovan-tratra [sy ny] fiarovan-doha.—1 Tes. 5:8.
Oharin’ny apostoly Paoly amin’ny miaramila mailo tsara sy efa nametaka ny fitaovam-piadiana rehetra isika. Tokony ho vonona hiady ny miaramila am-perinasa, na rahoviana na rahoviana. Hoatr’izany koa isika. Vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah isika, ka ataontsika fiarovan-tratra ny finoana sy ny fitiavana ary ataontsika fiarovan-doha ny fanantenana. Niaro ny fon’ny miaramila ny fiarovan-tratra. Miaro ny fontsika an’ohatra koa ny finoana sy ny fitiavana. Hanampy antsika hanohy hanompo an’Andriamanitra sy hanara-dia an’i Jesosy ireo. Ny finoana no mahatonga antsika hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah, rehefa mitady azy amin’ny fo manontolo isika. (Heb. 11:6) Handrisika antsika tsy hivadika amin’i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, koa izy io, na dia tsy maintsy hiaritra ny mafy aza isika. Ahoana àry no hatao raha te hanana finoana bebe kokoa, ka hahavita hiatrika olana? Afaka mianatra avy amin’ireo Kristianina amin’izao isika. Tsy nanaiky hivadika ry zareo, na dia nenjehina na sahirana ara-bola aza. Tsy ho matimatin-karena koa isika, raha manahaka an’izay nanatsotra ny fiainany mba hanaovana loha laharana an’ilay Fanjakana. w23.06 26:8-9
Talata 5 Aogositra
Izay mijery ny rahona tsy hijinja.—Mpito. 11:4.
Mahavita mifehy ny fihetseham-pony sy izay ataony ny olona mahafehy tena. Ilaina ny fifehezan-tena mba hahatonga ny olona iray hanatratra tanjona, indrindra raha sarotra tratrarina ilay tanjona na tsy te hanao an’ilay izy izy. Tadidio fa anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifehezan-tena. Mangataha àry fanahy masina amin’i Jehovah mba hanampy anao hanana kokoa an’io toetra tena ilaina io. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Aza miandry hoe mety tsara daholo ny zava-drehetra. Tsy manantena isika hoe hety be daholo ny zava-drehetra, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Raha izany no andrasantsika, dia mety tsy ho tratrantsika mihitsy ny tanjontsika. Mety tsy te hanatratra ny tanjontsika isika raha hoatran’ny hoe sarotra be ilay izy. Raha izany no mahazo anao, dia maninona raha tsinjaraina ho kelikely kokoa ilay tanjona? Andao hatao hoe misy toetra tsara iray tianao hananana. Maninona raha mitady fomba tsotsotra hampisehoana an’ilay izy aloha? Ahoana indray raha ny hamaky Baiboly iray manontolo ilay tanjonao? Maninona raha fotoana fohifohy no atokana hamakiana an’izany amin’ny voalohany? w23.05 24:11-13