FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Dendi
  • Androany

Alatsinainy 4 Aogositra

[Anaovy ny] fiarovan-tratra [sy ny] fiarovan-doha.​—1 Tes. 5:8.

Oharin’ny apostoly Paoly amin’ny miaramila mailo tsara sy efa nametaka ny fitaovam-piadiana rehetra isika. Tokony ho vonona hiady ny miaramila am-perinasa, na rahoviana na rahoviana. Hoatr’izany koa isika. Vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah isika, ka ataontsika fiarovan-tratra ny finoana sy ny fitiavana ary ataontsika fiarovan-doha ny fanantenana. Niaro ny fon’ny miaramila ny fiarovan-tratra. Miaro ny fontsika an’ohatra koa ny finoana sy ny fitiavana. Hanampy antsika hanohy hanompo an’Andriamanitra sy hanara-dia an’i Jesosy ireo. Ny finoana no mahatonga antsika hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah, rehefa mitady azy amin’ny fo manontolo isika. (Heb. 11:6) Handrisika antsika tsy hivadika amin’i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, koa izy io, na dia tsy maintsy hiaritra ny mafy aza isika. Ahoana àry no hatao raha te hanana finoana bebe kokoa, ka hahavita hiatrika olana? Afaka mianatra avy amin’ireo Kristianina amin’izao isika. Tsy nanaiky hivadika ry zareo, na dia nenjehina na sahirana ara-bola aza. Tsy ho matimatin-karena koa isika, raha manahaka an’izay nanatsotra ny fiainany mba hanaovana loha laharana an’ilay Fanjakana. w23.06 26:8-9

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 5 Aogositra

Izay mijery ny rahona tsy hijinja.​—Mpito. 11:4.

Mahavita mifehy ny fihetseham-pony sy izay ataony ny olona mahafehy tena. Ilaina ny fifehezan-tena mba hahatonga ny olona iray hanatratra tanjona, indrindra raha sarotra tratrarina ilay tanjona na tsy te hanao an’ilay izy izy. Tadidio fa anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifehezan-tena. Mangataha àry fanahy masina amin’i Jehovah mba hanampy anao hanana kokoa an’io toetra tena ilaina io. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Aza miandry hoe mety tsara daholo ny zava-drehetra. Tsy manantena isika hoe hety be daholo ny zava-drehetra, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Raha izany no andrasantsika, dia mety tsy ho tratrantsika mihitsy ny tanjontsika. Mety tsy te hanatratra ny tanjontsika isika raha hoatran’ny hoe sarotra be ilay izy. Raha izany no mahazo anao, dia maninona raha tsinjaraina ho kelikely kokoa ilay tanjona? Andao hatao hoe misy toetra tsara iray tianao hananana. Maninona raha mitady fomba tsotsotra hampisehoana an’ilay izy aloha? Ahoana indray raha ny hamaky Baiboly iray manontolo ilay tanjonao? Maninona raha fotoana fohifohy no atokana hamakiana an’izany amin’ny voalohany? w23.05 24:11-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 6 Aogositra

Ny lalan’ny marina ... toy ny hazavan’ny maraina, izay mihamazava tsikelikely mandra-pahatoandron’ny andro.​—Ohab. 4:18.

Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mandritra ny andro farany, mba hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny vahoakany. Manampy antsika rehetra izany mba handeha foana amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” (Isaia 35:8; 48:17; 60:17) Azo lazaina hoe isaky ny misy olona manaiky hianatra Baiboly, dia manomboka mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” izy. Ny sasany vetivety ihany no mandeha amin’io lalambe io, dia avy eo miala. Ny hafa kosa tapa-kevitra hoe tsy hiala mihitsy mandra-pahatongany any amin’ilay toerana tiany haleha. Aiza izany? Mitondra mankany amin’ny “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra ilay “Lalan’ny Fahamasinana”, ho an’ireo manantena hiaina any an-danitra. (Apok. 2:7) Mitondra mankany amin’ny faran’ny 1000 taona kosa izy io, ho an’ireo manantena hiaina eto an-tany, rehefa lasa lavorary daholo ny olombelona. Raha efa mandeha amin’io lalambe io àry ianao, dia aza mitodika any aoriana. Aza miala amin’ilay izy mihitsy koa mandra-pahatonganao any amin’ny tontolo vaovao. w23.05 22:15-18

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara