FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alarobia 10 Septambra

Na tsy an-tsitrapo aza ... no anaovako an’izany, dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.​—1 Kor. 9:17.

Ahoana raha misy fotoana tsapanao hoe lasa tsianjery be ny vavaka ataonao, na lasa fahazarana fotsiny ny fanompoanao? Aza mieritreritra hoe tsy manana ny fanahin’i Jehovah intsony ianao. Tsy lavorary ianao, ary mety hiovaova be ny fihetseham-ponao. Saintsaino ny ohatry ny apostoly Paoly raha manomboka mihena ny zotom-ponao. Na dia niezaka nanahaka an’i Jesosy aza izy, dia fantany hoe indraindray izy tsy tena nazoto be. Tapa-kevitra hamita ny fanompoany i Paoly, na ahoana na ahoana ny zavatra tsapany tamin’io fotoana io. Hoatr’izany koa ianao. Aza avela hibaiko ny fanapahan-kevitra tokony horaisinao ireny fihetseham-ponao ireny. Miezaha ho tapa-kevitra hanao ny tsara, na inona na inona tsapanao. Mety hiova eny ihany ny fihetseham-ponao avy eo.​—1 Kor. 9:16. w24.03 10:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 11 Septambra

Porofoy amin’izy ireo hoe tianareo izy ireo.​—2 Kor. 8:24.

Asehontsika hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, rehefa mandray azy ireo ho namana. (2 Kor. 6:11-13) Tsy mitovy koa ny fomba nanabeazana ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonantsika, sady samy manana ny toetrany ry zareo. Vao mainka anefa isika ho tia azy rehetra, raha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Rehefa mianatra mahita ny hafa hoatran’ny fahitan’i Jehovah an-dry zareo isika, dia mampiseho hoe tia an-dry zareo. Tena hilaina ny fitiavana mandritra ny fahoriana lehibe. Aiza isika no hahita fiarovana rehefa manomboka izy io? Diniho izay nasain’i Jehovah nataon’ny vahoakany rehefa nisy nanafika i Babylona. Hoy izy: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ry vahoakako, dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20) Toa mahakasika antsika koa ireo teny ireo rehefa hiatrika ny fahoriana lehibe isika. w23.07 29:14-16

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 12 Septambra

Miovaova ny sehatr’izao tontolo izao.​—1 Kor. 7:31.

Miezaha halaza ho mahay mandanjalanja. Eritrereto àry izao: ‘Hitan’ny olona ve hoe mahay mandanjalanja sy mandefitra ary malala-tsaina aho? Sa hentitra be sy masiaka ary be kirina no fahitan-dry zareo ahy? Mihaino an-dry zareo ihany ve aho sady milefitra rehefa azo ekena ny heviny?’ Arakaraka ny ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika no ahitana raha tena manahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika na tsia. Mahay mandanjalanja isika raha mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy rehefa miova ny fiainantsika. Mety hampisy olana tsy nampoizintsika ireny fiovana ireny. Mety harary tampoka, ohatra, isika. Na miova tampoka ny toe-karena na ny toe-draharaha politika, dia mikorontana ambony ambany ny fiainantsika. (Mpito. 9:11) Na ny fiovan’ny fanendrena antsika eo anivon’ny fandaminana aza mety ho mafy amintsika. Hahavita hiatrika fiovana anefa isika, raha manaraka an’ireto dingana efatra ireto: 1) Manaiky ny zava-misy, 2) mibanjina ny hoavy, 3) mifantoka amin’izay tsara, ary 4) manao zavatra ho an’ny hafa. w23.07 32:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara