Alakamisy 11 Septambra
Porofoy amin’izy ireo hoe tianareo izy ireo.—2 Kor. 8:24.
Asehontsika hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, rehefa mandray azy ireo ho namana. (2 Kor. 6:11-13) Tsy mitovy koa ny fomba nanabeazana ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonantsika, sady samy manana ny toetrany ry zareo. Vao mainka anefa isika ho tia azy rehetra, raha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Rehefa mianatra mahita ny hafa hoatran’ny fahitan’i Jehovah an-dry zareo isika, dia mampiseho hoe tia an-dry zareo. Tena hilaina ny fitiavana mandritra ny fahoriana lehibe. Aiza isika no hahita fiarovana rehefa manomboka izy io? Diniho izay nasain’i Jehovah nataon’ny vahoakany rehefa nisy nanafika i Babylona. Hoy izy: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ry vahoakako, dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20) Toa mahakasika antsika koa ireo teny ireo rehefa hiatrika ny fahoriana lehibe isika. w23.07 29:14-16
Zoma 12 Septambra
Miovaova ny sehatr’izao tontolo izao.—1 Kor. 7:31.
Miezaha halaza ho mahay mandanjalanja. Eritrereto àry izao: ‘Hitan’ny olona ve hoe mahay mandanjalanja sy mandefitra ary malala-tsaina aho? Sa hentitra be sy masiaka ary be kirina no fahitan-dry zareo ahy? Mihaino an-dry zareo ihany ve aho sady milefitra rehefa azo ekena ny heviny?’ Arakaraka ny ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika no ahitana raha tena manahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika na tsia. Mahay mandanjalanja isika raha mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy rehefa miova ny fiainantsika. Mety hampisy olana tsy nampoizintsika ireny fiovana ireny. Mety harary tampoka, ohatra, isika. Na miova tampoka ny toe-karena na ny toe-draharaha politika, dia mikorontana ambony ambany ny fiainantsika. (Mpito. 9:11) Na ny fiovan’ny fanendrena antsika eo anivon’ny fandaminana aza mety ho mafy amintsika. Hahavita hiatrika fiovana anefa isika, raha manaraka an’ireto dingana efatra ireto: 1) Manaiky ny zava-misy, 2) mibanjina ny hoavy, 3) mifantoka amin’izay tsara, ary 4) manao zavatra ho an’ny hafa. w23.07 32:7-8
Asabotsy 13 Septambra
Tena sarobidy ianao.—Dan. 9:23.
Mbola tovolahy i Daniela mpaminany, tamin’izy nentin’ny Babylonianina ho babo lavitra ny tanindrazany. Toa nampiaiky an’ireo nitondra azy ho babo anefa izy. Nijery “izay hitan’ny maso” mantsy ry zareo, ka hitany hoe ‘tsy nisy tsiny sady tsara tarehy sy tsara bika’ i Daniela no taranak’olona ambony. (1 Sam. 16:7) Nampiofanin’ny Babylonianina hanompo ao an-dapa àry izy. (Dan. 1:3, 4, 6) Tian’i Jehovah koa i Daniela noho izy nisafidy hoe ho olona hoatran’ny ahoana izy. Mbola vao 20 taona teo ho eo fotsiny aza angamba i Daniela, tamin’i Jehovah nilaza hoe olo-marina hoatran’i Noa sy Joba izy. Ireo lehilahy ireo anefa efa am-polony taona no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. (Gen. 5:32; 6:9, 10; Joba 42:16, 17; Ezek. 14:14) Tian’i Jehovah foana i Daniela nandritra ny androm-piainany. Ela velona izy ary tena niavaka ny fiainany.—Dan. 10:11, 19. w23.08 33:1-2