FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alarobia 17 Septambra

Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.​—Rom. 4:7.

Mamela na manarona ny fahotan’izay maneho finoana azy Andriamanitra. Avelany tanteraka ny helok’izy ireo, ary tsy isainy intsony izany. (Sal. 32:1, 2) Tsy meloka àry ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, ary ekeny ho olo-marina izy noho ny finoany. Mbola tsy lavorary sy mpanota ihany i Abrahama sy Davida ary ny olona tsy nivadika hafa, na dia nambara hoe olo-marina aza. Tsy manan-tsiny anefa ny fahitan’Andriamanitra azy ireo noho izy nanam-pinoana, indrindra raha noharina tamin’ny olona tsy nanompo azy. (Efes. 2:12) Nolazain’ny apostoly Paoly mazava tsara ao amin’ny taratasiny hoe tena ilaina ny finoana raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Marina izany rehefa jerena ny tantaran’i Abrahama sy Davida, ary mbola hoatr’izany koa amintsika. w23.12 50:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 18 Septambra

Manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra ..., izany hoe vokatry ny molotra, ka resaho amin’ny hafa ny momba ny anarany.​—Heb. 13:15.

Manana tombontsoa hanolotra sorona ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra amin’izao. Manao an’izany ry zareo rehefa mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah? Izay sorona tsara indrindra no atolotsika ho azy. Nanasongadina lafiny samihafa amin’ny fanompoana tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy ny apostoly Paoly. (Heb. 10:22-25) Ohatra hoe mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, manambara amin’ny rehetra ny fanantenantsika, miara-mivory amin’ny fiangonana, ary mifampahery. ‘Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitantsika fa mihamanakaiky ilay andron’i [Jehovah].’ Rehefa hifarana koa ny bokin’ny Apokalypsy, dia indroa ilay anjelin’i Jehovah no nanamafy hoe “Andriamanitra no ivavaho!” (Apok. 19:10; 22:9) Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy izany fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany. Ary enga anie hankamamiantsika foana ny tombontsoa hanompo an’ilay Andriamanitsika be voninahitra! w23.10 45:17-18

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 19 Septambra

Andao isika hifankatia foana.​—1 Jaona 4:7.

Tiantsika rehetra raha ‘mifankatia foana’ isika. Tsara hotadidintsika anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe “hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Mat. 24:12) Marina aloha fa tsy nilaza izy hoe tsy hifankatia intsony ny ankamaroan’ny mpianany. Tokony ho mailo foana anefa isika, sao hisy vokany amintsika ilay toe-tsain’ny olona tsy manam-pitiavana manodidina antsika. Andao àry hodinihintsika ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Misy fomba ahalalana ve hoe mbola tia be an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika? Anisan’ny fomba iray amantarana ny haben’ny fitiavantsika ny mandinika hoe ahoana no fomba hiatrehantsika ny zava-mitranga sasany eo amin’ny fiainana. (2 Kor. 8:8) Iray amin’izany ilay noresahin’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) Ho hita àry hoe be fitiavana isika na tsia, rehefa mampiseho toetra ratsy ny hafa na mandratra ny fontsika. w23.11 47:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara