FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alakamisy 18 Septambra

Manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra ..., izany hoe vokatry ny molotra, ka resaho amin’ny hafa ny momba ny anarany.​—Heb. 13:15.

Manana tombontsoa hanolotra sorona ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra amin’izao. Manao an’izany ry zareo rehefa mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah? Izay sorona tsara indrindra no atolotsika ho azy. Nanasongadina lafiny samihafa amin’ny fanompoana tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy ny apostoly Paoly. (Heb. 10:22-25) Ohatra hoe mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, manambara amin’ny rehetra ny fanantenantsika, miara-mivory amin’ny fiangonana, ary mifampahery. ‘Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitantsika fa mihamanakaiky ilay andron’i [Jehovah].’ Rehefa hifarana koa ny bokin’ny Apokalypsy, dia indroa ilay anjelin’i Jehovah no nanamafy hoe “Andriamanitra no ivavaho!” (Apok. 19:10; 22:9) Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy izany fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany. Ary enga anie hankamamiantsika foana ny tombontsoa hanompo an’ilay Andriamanitsika be voninahitra! w23.10 45:17-18

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 19 Septambra

Andao isika hifankatia foana.​—1 Jaona 4:7.

Tiantsika rehetra raha ‘mifankatia foana’ isika. Tsara hotadidintsika anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe “hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Mat. 24:12) Marina aloha fa tsy nilaza izy hoe tsy hifankatia intsony ny ankamaroan’ny mpianany. Tokony ho mailo foana anefa isika, sao hisy vokany amintsika ilay toe-tsain’ny olona tsy manam-pitiavana manodidina antsika. Andao àry hodinihintsika ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Misy fomba ahalalana ve hoe mbola tia be an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika? Anisan’ny fomba iray amantarana ny haben’ny fitiavantsika ny mandinika hoe ahoana no fomba hiatrehantsika ny zava-mitranga sasany eo amin’ny fiainana. (2 Kor. 8:8) Iray amin’izany ilay noresahin’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) Ho hita àry hoe be fitiavana isika na tsia, rehefa mampiseho toetra ratsy ny hafa na mandratra ny fontsika. w23.11 47:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 20 Septambra

Mifankatiava ianareo.​—Jaona 13:34.

Tsy hahavita hankatò an’ilay didin’i Jesosy momba ny fitiavana isika, raha ny sasany ao amin’ny fiangonana ihany no anehoantsika fitiavana. Marina aloha hoe misy olona akaiky kokoa antsika noho ny hafa e! Hoatran’izany mantsy na tamin’i Jesosy aza. (Jaona 13:23; 20:2) Nampahatsiahy antsika anefa ny apostoly Petera fa tokony hiezaka mafy hanana “fitiavan-drahalahy” isika, izany hoe hiraiki-po amin’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra ka hoatran’ny hoe fianakaviantsika ry zareo. (1 Pet. 2:17) Nampirisika antsika i Petera mba ‘hifankatia lalina amin’ny fo.’ (1 Pet. 1:22) Inona no tiany hotenenina amin’ilay hoe tia “lalina”? Hoe mila “manitatra” ny fitiavantsika isika, fa tsy hoe izay olona mahafinarinaritra antsika ihany no tiantsika. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy nanao zavatra mampalahelo antsika na nandratra ny fontsika? Mety ho tonga dia te hamaly faty isika, fa tsy hieritreritra hampiseho fitiavana. Nianaran’i Petera avy tamin’i Jesosy anefa fa tsy tian’Andriamanitra ny mamaly faty. (Jaona 18:10, 11) Izao no nosoratany: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa.” (1 Pet. 3:9) Raha manana fitiavana lalina àry ianao, dia ho tsara fanahy sy hiahy an’ireo rahalahy sy anabavy. w23.09 41:9-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara