Alatsinainy 22 Septambra
Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy, [ary] ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka.—Mat. 28:19.
Tian’i Jesosy hampiasa ny anaran’ny Rainy ve ny olona? Izany mihitsy. Nisy mpitondra fivavahana nafana fo tamin’ny androny angamba tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra satria hoe masina loatra izy io. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy anefa ireny fombafomba tsy avy ao amin’ny Soratra Masina ireny. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray nisy demonia tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina izy. Natahotra be ny olona, ka niangavy an’i Jesosy mba hiala tao amin’ilay faritra, dia lasa izy nandeha. (Mar. 5:16, 17) Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona tao amin’ilay faritra anefa ny anaran’i Jehovah. Nirahiny àry ilay lehilahy nositraniny, mba hilaza amin’ny olona an’izay nataon’i Jehovah taminy, fa tsy izay nataon’i Jesosy. (Mar. 5:19) Izany koa no tiany hataontsika. Tiany hampahafantarintsika eran-tany ny anaran’ny Rainy! (Mat. 24:14; 28:20) Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia faly i Jesosy Mpanjakantsika. w24.02 6:10
Talata 23 Septambra
Be fikirizana foana [ianao] noho ny anarako.—Apok. 2:3.
Tena fitahiana ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany feno korontana izao. Miharatsy mantsy ny fiainana eran-tany, nefa isika omen’i Jehovah rahalahy sy anabavy miray saina. (Sal. 133:1) Ampiany koa isika hifandray akaiky amin’ny fianakaviantsika. (Efes. 5:33–6:1) Ataony izay hahatonga antsika hisaina tsara sy ho hendry, amin’izay isika tena milamin-tsaina. Tsy maintsy miezaka mafy anefa isika mba hanompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy. Fa maninona? Satria mety hahasosotra antsika ny zavatra ataon’ny hafa na lazainy. Na ny fahalementsika aza mety hanahirana antsika, indrindra raha miverimberina ilay izy. Mila mikiry manompo an’i Jehovah foana anefa isika rehefa 1) misy mpiara-manompo mahasosotra antsika, 2) mandiso fanantenana antsika ny vadintsika, ary 3) diso fanantenana amin’ny tenantsika isika. w24.03 11:1-2
Alarobia 24 Septambra
Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.—Fil. 3:16.
Haheno tantarana rahalahy sy anabavy niezaka nampitombo ny fanompoany ianao indraindray. Nanatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana angamba ry zareo, na nanitatra faritany. Raha afaka mametraka tanjona hoatran’ireo ianao, dia aza misalasala mihitsy! Mazoto mampitombo ny fanompoany ny vahoakan’i Jehovah. (Asa. 16:9) Ahoana anefa raha tsy afaka manao an’izany aloha ianao izao? Aza mieritreritra hoe ambany noho ireny olona ireny ianao. Fiaretana mantsy no tena ilaina amin’ilay hazakazaka ataon’ny Kristianina. (Mat. 10:22) Aza tsinontsinoavina mihitsy izay azonao atao ho an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Sarobidy mantsy izany, sady anisan’ny fomba iray lehibe ahafahanao manaraka foana an’i Jesosy aorian’ny batisanao.—Sal. 26:1. w24.03 10:11