FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Talata 23 Septambra

Be fikirizana foana [ianao] noho ny anarako.​—Apok. 2:3.

Tena fitahiana ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany feno korontana izao. Miharatsy mantsy ny fiainana eran-tany, nefa isika omen’i Jehovah rahalahy sy anabavy miray saina. (Sal. 133:1) Ampiany koa isika hifandray akaiky amin’ny fianakaviantsika. (Efes. 5:33–6:1) Ataony izay hahatonga antsika hisaina tsara sy ho hendry, amin’izay isika tena milamin-tsaina. Tsy maintsy miezaka mafy anefa isika mba hanompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy. Fa maninona? Satria mety hahasosotra antsika ny zavatra ataon’ny hafa na lazainy. Na ny fahalementsika aza mety hanahirana antsika, indrindra raha miverimberina ilay izy. Mila mikiry manompo an’i Jehovah foana anefa isika rehefa 1) misy mpiara-manompo mahasosotra antsika, 2) mandiso fanantenana antsika ny vadintsika, ary 3) diso fanantenana amin’ny tenantsika isika. w24.03 11:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 24 Septambra

Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.​—Fil. 3:16.

Haheno tantarana rahalahy sy anabavy niezaka nampitombo ny fanompoany ianao indraindray. Nanatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana angamba ry zareo, na nanitatra faritany. Raha afaka mametraka tanjona hoatran’ireo ianao, dia aza misalasala mihitsy! Mazoto mampitombo ny fanompoany ny vahoakan’i Jehovah. (Asa. 16:9) Ahoana anefa raha tsy afaka manao an’izany aloha ianao izao? Aza mieritreritra hoe ambany noho ireny olona ireny ianao. Fiaretana mantsy no tena ilaina amin’ilay hazakazaka ataon’ny Kristianina. (Mat. 10:22) Aza tsinontsinoavina mihitsy izay azonao atao ho an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Sarobidy mantsy izany, sady anisan’ny fomba iray lehibe ahafahanao manaraka foana an’i Jesosy aorian’ny batisanao.​—Sal. 26:1. w24.03 10:11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 25 Septambra

Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.​—Kol. 2:13.

Mampanantena ilay Raintsika any an-danitra hoe hamela antsika izy raha mibebaka isika. (Sal. 86:5) Raha tena manenina amin’ny fahotantsika àry isika, dia azontsika tazonina amin’ny teniny i Jehovah. Efa namela antsika izy. Tadidio fa tsy hentitra loatra izy na hoe tsy milefitra mihitsy. Tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika mihitsy izy. Ankasitrahany kosa izay ataontsika ho azy, raha mbola manao an’izay tsara indrindra vitantsika isika. Saintsaino koa ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Anisan’ireny ny apostoly Paoly. Niezaka be teo amin’ny fanompoana izy nandritra ny taona maro, ka nanao dia an’arivony kilaometatra sady nanangana fiangonana be dia be. Nisy fotoana anefa izy tsy afaka nitory firy. Dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ve izy? Tsy izany! Mbola nanao izay vitany izy, dia notahin’i Jehovah. (Asa. 28:30, 31) Mety hiovaova koa ny azonao omena an’i Jehovah indraindray. Ny tena zava-dehibe aminy anefa dia hoe nahoana ianao no manao an’ilay izy. w24.03 13:7, 9

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara