HIRA 44
Vavaky ny Torotoro Fo
- 1. Jehovah, mba henoy re aho - mivavaka aminao. - Maratra sy mangirifiry - ny ao anatiko ao. - Manjombona ny fiainako, - nafoy ’zay nantenaiko. - Mba omeo fampiononana aho - fa reraka ny aiko. - (FIVERENANA) - Ampio re aho hahazaka izao, - Mba omeo toky, mba hatanjaho; - Fa ketraka aho ka miantso anao. - Jehovah ô, iantrao re aho. 
- 2. Ny Teninao mampionona ahy - rehefa miady saina, - Mamoaka ny fihetseham-po - ’zay tsy haiko lazaina. - Ampio foana aho hitraka - mba tsy hihena ny finoako, - Hatoky ny fitiavanao - ’zay lehibe noho ny foko. - (FIVERENANA) - Ampio re aho hahazaka izao, - Mba omeo toky, mba hatanjaho; - Fa ketraka aho ka miantso anao. - Jehovah ô, iantrao re aho. 
(Jereo koa ny Sal. 42:6; 119:28; Rom. 8:26; 2 Kor. 4:16; 1 Jaona 3:20.)