HIRA 124
Aza Mivadika Mihitsy!
Endrika Sary
	- 1. Amin’iza moa isika - No tsy mba mivadika? - Amin’ilay Avo Indrindra, - Dia ’lay Mpanome ny aina. - ’Sika efa nanokan-tena, - Ka tsy hiova na oviana; - Hanompo azy, ho tia azy, - F’izy anie azo itokiana. 
- 2. Amin’iza koa isika - No tsy mba mivadika? - Amin’ireo namantsika, - Tsy mandao na sarotra aza. - Mifanaja foana isika, - Sy mifampatoky hatrany; - Koa na faly na mijaly, - Mbola mifanampy ihany. 
- 3. Mankatoava lalandava - An’ireo mitarika! - Tena ilaina ny manaiky - Ireo toromarika. - Fa Jehovah tsy manary - An’ireo ’zay mankatò. - Hotahiny ’reo maniry - Tsy hivadika ao am-po. 
(Jereo koa ny Sal. 149:1; 1 Tim. 2:8; Heb. 13:17.)