HIRA 55
Aza Matahotra Azy Ireo!
- 1. Mahereza f’aza kivy, - Ry mpanompo tena tiako. - Matokia f’ianao hampiako, - Ka torio ’zay nandidiako: - Hoe Kristy efa nandresy - ’Lay fahavalo mpanakiana, - Ka tsy ho ela dia hamonjy - ’Reo ’zay ela nijaliana. - (FIVERENANA) - Tiako ianao ka tena hampiako, - Rehefa tojo sarotra. - Sarobidy amiko ianao, - K’aza mba matahotra. 
- 2. Mety ho maro ny fahavalo - ’Zay mandrahona anareo. - Mody namana izy ireo, - Nefa mampahory avy eo. - Aza mba matahotra azy, - Fa ny saina no hatanjaho. - Mijoroa sy mifikira - Satria ’zaho tsy mba mandao. - (FIVERENANA) - Tiako ianao ka tena hampiako, - Rehefa tojo sarotra. - Sarobidy amiko ianao, - K’aza mba matahotra. 
- 3. ’Zaho no hery sy ampinga, - F’aza ketraka ianao. - Tsisy hatahoranao, - ’Zaho tsy hanadino anao. - Mety hafoy tokoa ny aina - Nefa tsy mandrakizay; - Fa ’zay tsy mivadika dia - Mbola hatsangana indray. - (FIVERENANA) - Tiako ianao ka tena hampiako, - Rehefa tojo sarotra. - Sarobidy amiko ianao, - K’aza mba matahotra. 
(Jereo koa ny Deot. 32:10; Neh. 4:14; Sal. 59:1; 83:2, 3.)