Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
3-9 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 1-2
Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Fitiavana?
w15 15/1 30 § 10
Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?
10 Misy antony hafa koa mahatsara ny mifaneho fitiavana. Nilaza ilay mpanjaka fa hanome “firavaka volamena boribory misy haingony volafotsy” an’ilay tovovavy. Nototofany teny fiderana izy, ka nolazainy fa “tsara tarehy sahala amin’ny volana fenomanana” sy “madio tahaka ny masoandro mamirapiratra.” (Tonon. 1:9-11; 6:10) Tsy nivadika tamin’ilay mpiandry ondry malalany anefa ilay tovovavy. Inona no nampahery azy rehefa tsy nifankahita izy roa? (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 1:2, 3.) Ny fahatsiarovany ny ‘fanehoam-pitiavan’ilay’ mpiandry ondry. Noheveriny ho “tsara noho ny divay” izay mampifaly ny fo izany. Namelombelona azy toy ny “menaka araraka” amin’ny loha koa ny fahatsiarovany ny anaran’ilay malalany. (Sal. 23:5; 104:15) Afaka mampaharitra ny fifankatiavan’ny mpivady ny fahatsiarovan’izy ireo ny fifanehoany fitiavana. Tena ilain’ny mpivady àry ny mifaneho fitiavana matetika.
10-16 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 3-5
Nahoana no Zava-dehibe ny hoe Tsara Toetra?
w15 15/1 30 § 8
Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?
8 Tsy miresaka momba ny bika aman’endrika daholo ny teny mamy ao amin’ilay hira. Diniho izay nolazain’ilay mpiandry ondry momba ny tenin’ilay tovovavy. (Vakio ny Tononkiran’i Solomona 4:7, 11.) Nolazainy fa ‘tantely avy ao anaty tohotra no mitete avy amin’ny molony.’ Nahoana? Satria mamy sy tsara kokoa noho ny tantely efa tratran’ny rivotra ny tantely avy amin’ny tohotra. Midika koa ilay hoe ‘tantely sy ronono no eo ambany lelany’ fa toy ny tantely sy ronono ny tenin’ilay tovovavy satria mahafinaritra. Mazava àry fa tsy ny hatsaran’ilay tovovavy ihany no tao an-tsain’ilay mpiandry ondry rehefa nilaza izy hoe ‘tena tsara tarehy ianao, ary tsy misy tsininy.’
w00 1/11 11 § 17
Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena
17 Mpitana tsy fivadihana iray fahatelo ny tovovavy solemita iray. Tanora sady tsara bika izy, ka naharaiki-pitia tovolahy iray mpiandry ondry, ary tsy izy io ihany, fa i Solomona, mpanjaka mpanefohefo teo amin’ny Israely, koa. Manerana ilay fitantarana kanto, voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona, dia nitoetra ho nadio ilay Solemita, hany ka nahazo ny fanajan’ny olona nanodidina azy. Na dia natosi-bohon-tanana aza i Solomona, dia nahazo tsindrimandry handraikitra an-tsoratra ny tantaran’ilay Solemita izy. Nanaja ny fahadiovam-pitondran-tenan’io zazavavy io koa ilay mpiandry ondry tiany. Nisy fotoana nilazan’ilay olon-tiany tamim-pieritreretana lalina fa ohatra ny “saha voahidy” ilay Solemita. (Tononkiran’i Solomona 4:12). Teo amin’ny Israely fahiny, ny zaridaina tsara tarehy dia nahitana legioma isan-karazany nahafinaritra, voninkazo namerovero, ary hazo nijoalajoala. Tamin’ny ankapobeny, ny zaridaina toy izany dia voahodidina fefy na tamboho, ka tsy azo nidirana raha tsy teo amin’ny vavahady iray nihidy mafy. (Isaia 5:5). Teo imason’ilay mpiandry ondry, ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny hatsaran-tarehin’ilay Solemita dia nitovy tamin’ny zaridaina iray toy izany, nanana hakanto tsy fahita firy. Nadio tanteraka izy. Hatokany ho an’ilay ho vadiny ihany ny firaiketam-pony.
g16.4 15 § 1-2
Hatsaran-tarehy
Resahin’ny Baiboly fa mifandray ny hoe maotina sy ny hoe ‘hendry’ na mahay misaina. (1 Timoty 2:9) Tsy mifantoka be amin’ny bika aman’endriny ny olona maotina, fa mahay mandanjalanja. Mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa izy, ka lasa tian’ny olona sy hajainy ary ankasitrahan’Andriamanitra. (Mika 6:8) Azo inoana koa hoe hahazo namana tsara izy. Olona maniry ny hananany tokantrano sambatra sy maharitra no ho vadiny, fa tsy olona te hanao firaisana aminy fotsiny.
Tsy mahagaga ny Baiboly raha mampirisika antsika hifantoka amin’ilay “toetra miafina ao am-po”, na ny maha isika antsika. (1 Petera 3:3, 4) Tsy miova mihitsy izy io na mihantitra aza isika, ary azo hatsaraina foana. Hoy ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Tokony hanaraka ny torohevitry ny Baiboly àry isika, na tanora na antitra. Ho hitantsika amin’izay hoe ahoana no hananana ny tena hatsaran-tarehy, izay tsy mora lefy, ary ahoana no hahatonga antsika ho olona mendrika sy ho afa-po amin’ny fiainana.
Vatosoa Ara-panahy
w15 15/1 31 § 11
Mety Haharitra Mandrakizay ve ny Fitiavana?
11 Afaka miana-javatra avy amin’ny Tononkiran’i Solomona koa ny Kristianina mpitovo, indrindra fa ireo mitady vady. Tsy raiki-pitia tamin’i Solomona mihitsy ilay tovovavy. Nampianiana ny zanakavavin’i Jerosalema izy ka nilaza hoe: “Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.” (Tonon. 2:7; 3:5) Nahoana? Satria tsy mety raha raiki-pitia amin’izay olona sendra antsika fotsiny isika. Hendry ny Kristianina te hanambady raha manam-paharetana ka tsy manambady raha tsy olona tena azony tiavina.
17-23 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | TONONKIRAN’I SOLOMONA 6-8
Tokony ho Hoatran’ny Manda Isika fa Tsy Hoatran’ny Varavarana
it “Tononkiran’i Solomona” § 11
Tononkiran’i Solomona
Toa navelan’i Solomona hody ihany ilay Solemita. Nahita azy nanatona ny anadahiny, ka niteny hoe: “Iza iny vehivavy miakatra avy any an-tany efitra iny, izay mitehina amin’ny malalany?” (To 8:5a) Tsy nampoizin’izy ireo hoe tokam-po toy izany ilay anabaviny. Hoy ny iray tamin’izy ireo, taona maro talohan’izay: “Manana anabavy kely mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana izy rehefa hisy hangataka indray andro any?” (8:8) Namaly ny iray hoe: “Raha toy ny manda izy, dia hanorenantsika tilikambo volafotsy eo an-tampony. Fa raha toy ny varavarana kosa izy, dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.” (8:9) Nahatohitra ny fakam-panahy rehetra anefa ilay Solemita sady nianina tamin’ny tanimboalobony no tsy nivadika tamin’ilay olon-tiany (8:6, 7, 11, 12), ka afaka niteny hoe: “Manda aho, ary sahala amin’ny tilikambo ny nonoko. Koa vehivavy milamin-tsaina àry ny fahitany ahy.”—8:10.
yp 188 § 2
Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
Tsy hoe manampy ny tanora iray hisoroka vokatra mahatahotra fotsiny anefa ny fitoerana ho madio. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny zatovovavy iray izay nitoetra ho madio na dia teo aza ny fitiavany mafy ilay ankizilahy niarahany. Ho vokatr’izany, dia afaka niteny tamim-pireharehana izy hoe: “Manda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko.” Tsy ‘varavarana nisavilivily’ izay ‘nisokatra’ mora foana isaky ny nisy fanerena ara-pitondran-tena, izy. Teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena, dia niseho ho toy ny manda tsy nisy afaka nananika teo amin’ny trano fiarovana iray nisy tilikambo tsy azo tafihina, izy! Mendrika ny nantsoina hoe ‘ilay madio’ izy ary afaka nilaza toy izao momba ilay ho vadiny: “Raha eo imasony dia toy ny efa mahita [fiadanana, NW ] aho.” Ny fiadanan-tsainy manokana dia nitarika ho amin’ny fisian’ny fahafaham-po teo amin’izy roa.—Tononkiran’i Solomona 6:9, 10, NW; 8:9, 10.
yp2 33
Tovovavy Modely—Ilay Solemita
Fantatr’ilay tovovavy solemita fa tokony handinika tsara foana izy, eo amin’ny resaka fitiavana. Mora jamban’ny fitiavana mantsy ny olona. Hoy àry izy tamin’ny namany: ‘Mampianiana anareo aho: Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.’ Fantany fa mety hampirisika azy hanaiky hiaraka amin’ny olona tsy mety aminy ny namany. Na izy mihitsy koa no mety ho lasa jamban’ny fitiavana, ka tsy handinika tsara intsony. Niezaka hatrany ho toy ny “manda” àry ilay Solemita, izany hoe tsy nanaiky horebirebena.—Tonon-kiran’i Solomona 8:4, 10.
Mato-tsaina ilay Solemita, ka tsy noheveriny ho kilalao ny fitiavana. Ary ianao? Mandinika tsara ve ianao sa manaiky ho jamban’ny fitiavana fotsiny? (Ohabolana 2:10, 11) Mety hisy hampirisika anao hampiaraka, na dia mbola tsy vonona aza ianao. Na mety ho ianao mihitsy koa no te hampiaraka, satria mahita ny ataon’ny hafa. Inona, ohatra, no tsapanao rehefa mahita tanora mifampitantana? Maniry mafy hanao toa azy ireo koa ve ianao? Hanaiky hiaraka amin’ny olona tsy mitovy finoana aminao ve ianao? Mato-tsaina ilay Solemita, ka nandinika tsara teo amin’ny resaka fitiavana. Afaka ny ho toa azy koa ianao!
24-30 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 1-2
Fanantenana ho An’izay “Vesaran’ny Fahadisoany”
ip-1 14 § 8
Ny Ray Iray sy Ireo Zanany Mpikomy
8 Nanohy ny hafany tamin’izao teny mahery ho an’ny firenen’ny Joda izao i Isaia: “Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, efa nihodina izy.” (Isaia 1:4). Afaka miavovona ka manjary toy ny enta-mavesatra mampahory ny olona iray, ireo zava-dratsy vitany. Tamin’ny andron’i Abrahama, dia nolazain’i Jehovah ho ‘navesatra indrindra’ ny fahotan’i Sodoma sy i Gomora. (Genesisy 18:20). Ny nitovy tamin’izany izao no niharihary teo amin’ny vahoakan’i Joda, satria nilaza i Isaia fa “mavesa-keloka” izy ireo. Fanampin’izany, dia nantsoiny hoe “taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka”, izy ireo. Eny, toy ny ankizy maditra ireo Jodianina. Efa “nihodina” izy ireo, na hoe “tafasaraka tanteraka” tamin’ny Rainy, araka ny ilazan’ny New Revised Standard Version azy.
1-7 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 3-5
Tian’i Jehovah Hankatò Azy ny Vahoakany Sady Mendrika An’izany Izy
ip-1 73-74 § 4
Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!
4 Mila asa mafy vao mamokatra ny tanimboaloboka iray. Nilaza i Isaia fa ‘niasa ilay tany sy nanesotra ny vato’ taminy ilay tompony—asa sady dridralava no manasatra! Azo inoana fa nampiasa ireo vato lehibe kokoa izy mba ‘hanaovana tilikambo iray.’ Tamin’ny andro fahiny, ny tilikambo toy izany dia toerana nitobian’ireo mpiambina, izay niaro ny vokatra tamin’ny mpangalatra sy ny biby. Afa-tsy izany koa, dia nanao fefy vato izy, mba hamaritana ireo tanimboaloboka an-tanan-tohatra. (Isaia 5:5). Fanao nahazatra izany, mba hisakanana ny nofon-tany tena ilaina, tsy ho lasan’ny rano.
ip-1 76 § 9
Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!
9 ‘Namboly’ ilay fireneny tao amin’ny tanin’i Kanana i Jehovah, ary nanome azy ny lalàny sy ny didiny, izay toy ny rindrina niaro azy ireo tsy ho voaloton’ireo firenena hafa. (Eksodosy 19:5, 6; Salamo 147:19, 20; Efesianina 2:14). Ankoatra izany, dia nanome azy ireo mpitsara sy mpisorona ary mpaminany mba hampianatra azy ireo i Jehovah. (2 Mpanjaka 17:13; Malakia 2:7; Asan’ny Apostoly 13:20). Rehefa norahonan’ny fanafihana ara-tafika ny Israely, dia nanangana mpanafaka i Jehovah. (Hebreo 11:32, 33). Noho ny antony tsara àry no nanontanian’i Jehovah hoe: “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”
w06 15/6 18 § 1
Karakarao ity Voaloboka Ity!
Nampitovin’i Isaia tamin’ny tanimboaloboka izay lasa namokatra “voalobo-dratsy” na voalobokadia, araka ny fandikan-teny sasany, “ny taranak’Israely.” (Isaia 5:2, 7) Kely lavitra noho ny an’ny voaloboka ambolena ny voan’ny voalobokadia, ary tsy dia misy ilana azy satria mila ho voany fotsiny. Sady tsy mety hanaovana divay ilay izy no tsy azo hanina. Mety tsara hilazana an’ilay firenena mpivadi-pinoana izany, satria fandikan-dalàna fa tsy fahitsiana no novokariny. Tsy ilay Mpamboly no nahatonga an’ilay voaloboka ho tsy nisy nilana azy. Nanao izay rehetra vitany i Jehovah mba hamoa voa tsara ilay firenena. “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”—Isaia 5:4.
w06 15/6 18 § 2
Karakarao ity Voaloboka Ity!
Nampitandrina i Jehovah fa harodany ilay fefy naoriny hiarovana ny vahoakany, satria tsy namokatra izy ireo. Tsy handrantsana an’ilay voalobony an’ohatra intsony izy na hihevo ny taniny. Tsy hilatsaka ny oran-dohataona izay mamelona azy, ary hameno ilay tanimboaloboka ny tsilo sy ny ahidratsy.—Isaia 5:5, 6.
8-14 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 6-8
“Intỳ Aho Iraho!”
ip-1 94-95 § 14
Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra
14 Tsy nisalasala namaly i Isaia! Na hanao ahoana na hanao ahoana ilay hafatra, dia namaly avy hatrany izy hoe: “Intỳ aho, iraho aho.” Tsy nanontany koa izy hoe inona no tombony ho azony, raha nanaiky io asa nanendrena azy io izy. Ny toe-tsainy feno fahavononana dia ohatra faran’izay tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao andro izao, izay nirahina hitory ‘ny vaovao tsaran’ilay fanjakana any amin’ny tany onenana manontolo.’ (Matio 24:14, NW ). Sahala amin’i Isaia, dia mifikitra amim-pahatokiana amin’ny asa nanendrena azy izy ireo, ary manatontosa ilay fanambarana “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, na dia eo aza ny tsy firaikan’ny olona hatraiza hatraiza. Ary mandroso amim-patokisana izy ireo, sahala amin’i Isaia, noho ny fahafantarana fa avy amin’ilay mpanome lalana ambony indrindra ny asa nanirahana azy.
ip-1 95-96 § 16
Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra
16 Ilay vahoaka no nanan-tsiny. Hiteny “mandrakariva ihany” i Isaia, nefa tsy hanaiky ilay hafatra izy ireo, na hahazo hevi-javatra. Ho be kiry ny ankamaroany, ka tsy hihontsina, toy ny hoe jamba sady marenina. Amin’ny fiverimberenana mankany aminy, i Isaia dia hamela an’‘io firenena io’ hampiseho fa tsy ta hahalala, na naniry hahazo hevi-javatra, izy ireo. Hasehony fa nanidy ny sainy sy ny fony tamin’ny hafatra nentin’i Isaia—ny hafatr’Andriamanitra—ho azy izy. Tena marina koa izany ny amin’ny olona amin’izao andro izao! Maro be aoka izany no tsy mety mihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy izy ireo.
ip-1 99 § 23
Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra
23 Rehefa naka teny avy tao amin’ny Isaia i Jesosy, dia nampiseho fa nanana fahatanterahana tamin’ny androny ilay faminaniana. Ny olona tamin’ny fitambarany dia nanana toe-po sahala amin’ny an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Isaia. Nifidy ny ho jamba sady marenina tamin’ilay hafatra izy ireo, ka niharan’ny fandringanana koa. (Matio 23:35-38; 24:1, 2). Izany dia nitranga fony nanafika an’i Jerosalema tamin’ny 70 A.K. ireo tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus, ary nanapotika an’ilay tanàna sy ny tempoliny. Kanefa, nisy nihaino an’i Jesosy ka tonga mpianany. Nanambara azy ireny ho “sambatra” i Jesosy. (Matio 13:16-23, 51). Efa nampahafantariny azy ireo fa rehefa hahita an’i “Jerosalema voahodidin’ny miaramila” izy ireo, dia tokony “handositra ho any an-tendrombohitra.” (Lioka 21:20-22). Araka izany, dia voavonjy ilay “taranaka masina”, izay naneho finoana, ka voaforona ho firenena ara-panahy, dia “ny Israelin’Andriamanitra.”—Galatianina 6:16.
15-21 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 9-10
Faminaniana Momba An’ilay “Hazavana Be”
ip-1 126-128 § 18-19
Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray
18 Nanana antony lehibe hifaliana ireo izay nanaiky ilay hazavana. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Hamaroinao ity firenena ity, ary ampitomboinao ny hafaliany; mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny [fifalian’ny] olona, raha mizara babo.” (Isaia 9:2). Ho vokatry ny asa fitoriana nataon’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy, dia niseho sehatra ireo olona tso-po, ka nampiseho fa naniry ny hanompo an’i Jehovah tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jaona 4:24). Tao anatin’ny efa-taona latsaka, dia olona sesehena no nanaiky ny Kristianisma. Telo arivo no natao batisa tamin’ny andro Pentekosta 33 A.K. Tsy ela taorian’izay, dia “tonga tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.” (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4). Rehefa nanome taratr’ilay hazavana tamin-jotom-po ireo mpianatra, dia “nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.”—Asan’ny Apostoly 6:7.
19 Toy ireo mifaly noho ny vokatra tondraky ny fijinjana, na ireo miravoravo noho ny fizarana ny zavatra azo babo aorian’ny fandresena ara-tafika miezinezina iray, ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia nifaly noho ilay fitomboana. (Asan’ny Apostoly 2:46, 47). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nataon’i Jehovah namirapiratra teo amin’ireo firenena ilay hazavana. (Asan’ny Apostoly 14:27). Koa nifaly àry ny olona avy amin’ny firazanana rehetra, satria nisokatra ho azy ireo ny lalana hanatonana an’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 13:48.
ip-1 128-129 § 21
Ny Fampanantenana Andrian’ny Fiadanana Iray
21 Tsy fankalazana ny ady akory ny fanehoan’Andriamanitra ny heriny. I Jesosy tafatsangana amin’ny maty no ilay Andrian’ny Fiadanana, ary rehefa avy manafoana ny fahavalony izy, dia hampiditra fiadanana mandrakizay. Izao i Isaia dia miresaka momba ny fitaovana ara-tafika, izay kilan’ny afo tanteraka: “Ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.” (Isaia 9:4). Tsy ho tsapa intsony mihitsy ny horohoro hateraky ny figadon’ny baotin’ny miaramila miara-mamindra. Tsy ho hita intsony ny fanamiana mihosin-dran’ireo miaramila zatra ady. Tsy hisy intsony ny ady!—Salamo 46:9.
22-28 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 11-13
Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mesia?
ip-1 159 § 4-5
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia
4 Taonjato maro talohan’ny andron’i Isaia, dia nisy mpanoratra ny Baiboly hebreo hafa nanondro ny hiavian’ny Mesia, ilay tena Mpitarika, izay hirahin’i Jehovah ho any amin’ny Israely. (Genesisy 49:10; Deoteronomia 18:18; Salamo 118:22, 26). Izao, tamin’ny alalan’i Isaia, dia nanampy tsipiriany hafa i Jehovah. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy [tsimoka, “NW” ] mitrebona avy eo amin’ny fakany.” (Isaia 11:1; ampitahao amin’ny Salamo 132:11.) Ny hoe “Solofo” sy ny hoe “tsimoka” dia samy manondro fa ilay Mesia dia ho ilay taranak’i Jese, amin’ny alalan’i Davida zanany, izay nohosorana diloilo mba ho mpanjakan’ny Israely. (1 Samoela 16:13; Jeremia 23:5; Apokalypsy 22:16). Rehefa tonga ilay tena Mesia, io “tsimoka” io, izay avy amin’ny taranak’i Davida, dia hamoa voa tsara.
5 I Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Ireo teny ao amin’ny Isaia 11:1 no tian’i Matio, mpanoratra filazantsara, horesahina, rehefa nilaza izy fa ny niantsoana an’i Jesosy hoe “Nazarena” dia nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany. Noho izy notezaina tao amin’ny tanànan’i Nazareta, dia nantsoina hoe Nazarena i Jesosy, anarana izay toa mifandray amin’ilay teny hebreo nampiasaina ao amin’ny Isaia 11:1 ary nadika hoe “tsimoka.”—Matio 2:23, NW, fanamarihana ambany pejy; Lioka 2:39, 40.
ip-1 159 § 6
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia
6 Ho mpanapaka hanao ahoana moa ny Mesia? Moa ve izy ho sahala amin’ilay Asyrianina lozabe sy mahery loha, izay nandringana ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra? Mazava ho azy fa tsia. Hoy i Isaia momba ny Mesia: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Isaia 11:2, 3a). Ny Mesia dia nohosorana, tsy diloilo, fa tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Izany dia nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy, fony i Jaona Mpanao Batisa nahita ny fanahy masin’Andriamanitra, niendrika voromailala, nidina teo amin’i Jesosy. (Lioka 3:22). ‘Nitoetra teo amin’i’ Jesosy ny fanahin’i Jehovah, ary nanome porofon’izany izy, rehefa nanao zavatra nampiseho fahendrena, fahazavan-tsaina, fanoloran-tsaina, faherezana ary fahalalana. Toetra tsara dia tsara hananan’ny mpanapaka re izany!
ip-1 160 § 8
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia
8 Inona ilay fahatahorana an’i Jehovah asehon’ny Mesia? Azo antoka fa tsy tora-kovitra eo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy, satria tsy matahotra ny homelohiny izy. Tahotra feno fanajana an’Andriamanitra kosa no ananan’ny Mesia, dia fanajana ara-pivavahana miharo fitiavana azy. Ny olona iray matahotra an’Andriamanitra dia maniry ‘hanao izay sitrany’ foana, toa an’i Jesosy. (Jaona 8:29). Tamin’ny teny sy ny ohatra, i Jesosy dia nampianatra fa tsy misy fifaliana lehibe kokoa noho ny fandehanana isan’andro ao amin’ny fahatahorana mahasoa an’i Jehovah.
ip-1 161 § 9, 11
Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia
9 Nilaza zavatra hafa hampiavaka ny Mesia i Isaia, tamin’ny hoe: “Tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny.” (Isaia 11:3b). Raha tsy maintsy miakatra fitsarana ianao, tsy ho velom-pankasitrahana ve ianao, raha toy izany ny mpitsara? Ny Mesia no ho Mpitsara ny taranak’olombelona rehetra, ary tsy hampitanila ny fitsarany ny fanaporofoan-kevitra diso, ny fombafombam-pitsarana natao hifetsena, ny tsaho, na ny anton-javatra ivelany fotsiny, toy ny harena. Tsikariny foana ny famitahana ary tsy ifantohany ny fisehoana ivelany tsy dia tsara, satria “ilay olona miafin’ny fo”, na “ilay lehilahy takona”, no hitany. (1 Petera 3:4, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny ohatra fanaperana omen’i Jesosy dia modely ho an’izay rehetra angatahina mba hitsara raharaha ao amin’ny fiangonana kristianina.—1 Korintianina 6:1-4.
11 Rehefa nila fanitsiana ireo mpanara-dia azy, dia nanome izany tamin’ny fomba nandraisan’izy ireo soa indrindra izy—ohatra tsara dia tsara ho an’ny anti-panahy kristianina. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay zatra manao ratsy dia afaka manampo didim-pitsarana henjana. Rehefa hampamoaka ity fandehan-javatra ity Andriamanitra, dia “hamely ny tany” amin’ny feony maneho fahefana ny Mesia, ka hamoaka didim-pitsarana ho fandringanana ny ratsy fanahy rehetra. (Salamo 2:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:15.) Amin’ny farany, dia tsy hisy olon-dratsy tavela mba hanelingelina ny fiadanan’ny olombelona. (Salamo 37:10, 11). Manana ny hery hanatanterahana izany i Jesosy, izay hisikina fahamarinana ary hanao fehin-kibom-pahatokiana.—Salamo 45:3-7.
29 DESAMBRA–4 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 14-16
Tsy ho Afa-maina ny Fahavalon’ny Vahoakan’Andriamanitra
ip-1 184 § 24
Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
24 Ao amin’ny Baiboly, dia ampitahaina amin’ny kintana ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida. (Nomery 24:17). Nanomboka tamin’i Davida, dia nanapaka teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ireny “kintana” ireny. Rehefa avy nanorina ny tempoly tao Jerosalema i Solomona, dia nanjary nanondro ilay tanàna manontolo ny anarana hoe Ziona. Teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, dia tsy maintsy nankany Ziona intelo isan-taona ny Israelita lahy rehetra. Noho izany, dia nanjary fantatra ho ‘tendrombohitra fivoriana’ izy io. Tapa-kevitra ny hifehy an’ireo mpanjaka jodianina, ary avy eo dia hanala azy ireo avy teo amin’io tendrombohitra io, i Nebokadnezara, ka nanambara ny fikasany hanandra-tena ho ambony noho ireo “kintana” ireo. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, noho ny nandreseny azy ireo, izy. Raha ny marina kosa aza, dia toy ny naka ny toeran’i Jehovah tamim-pizahozahoana izy.
ip-1 189 § 1
Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
AFAKA mampiasa ireo firenena mba hanafaizana ny vahoakany, noho ny faharatsiany, i Jehovah. Na izany aza, dia tsy nalany tsiny ireo firenena ireo, noho ny halozany tsy amin’ny antony, sy ny avonavony ary ny fankahalany ny fivavahana marina. Ela be mialoha àry i Jehovah dia efa nanome tsindrimandry an’i Isaia mba hanoratra ‘ny faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona.’ (Isaia 13:1). Kanefa i Babylona dia mbola fandrahonana ho amin’ny hoavy. Tamin’ny andron’i Isaia, dia i Asyria no nampahory ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Nandringana ny fanjakan’ny Israely tany avaratra i Asyria ary nandrava ny ankabeazan’i Joda. Voafetra anefa ny fandresen’i Asyria. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, (...) dia ny hanorotoro ny Asyrianina ao amin’ny taniko ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ireo, ary ny entany ho afaka amin’ny sorony.” (Isaia 14:24, 25). Tsy ela taorian’ny nanononan’i Isaia io faminaniana io, dia nesorina avy tao Joda ny fandrahonana avy tamin’ny Asyrianina.
ip-1 194 § 12
Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
12 Rahoviana no ho tanteraka io faminaniana io? Tsy ho ela. “Izany no tenin’i Jehovah nataony fahiny ny amin’i Moaba. Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ny telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.” (Isaia 16:13, 14). Mifanaraka tsara amin’izany, dia misy porofo hitan’ny arkeology fa, nandritra ny taonjato fahavalo T.K., dia nijaly mafy i Moaba, ary maro tamin’ireo toerana tao aminy no tsy nisy mponina intsony. I Tiglato-pilesera III dia nanonona an’i Salamanu, andrianan’i Moaba, ho anisan’ireo mpanapaka nandoa hetra taminy. I Sankeriba dia nahazo hetra avy tamin’i Kammusunadbi, mpanjakan’i Moaba. I Esara-hadona sy i Assourbanipal, mpanjakan’i Asyria, dia nanonona an’i Musuri sy i Kamashaltu, mpanjakan’i Moaba, ho olom-peheziny. Taonjato maro lasa izay, dia tsy nisy intsony ilay vahoaka moabita. Nisy sisan-javatra tamin’ny tanàna heverina ho tanàna moabita, hita, nefa tsy misy porofo azo tsapain-tanana firy ny amin’io fahavalon’ny Israely nahery taloha io, hita hatramin’izao.
Vatosoa Ara-panahy
w06 1/12 10 § 11
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I
14:1, 2—Ahoana no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho “mpamabo izay namabo azy” sy “hampanompo izay nampahory azy”? Tanteraka izany faminaniana izany, rehefa nitana andraikitra ambony tany Babylona teo ambany fitondran’ny Medianina sy ny Persianina i Daniela, rehefa lasa vadi-mpanjaka persianina i Estera, ary rehefa voatendry ho praiminisitry ny Fanjakana Persianina i Mordekay.