28“Ary alaivo avy eo amin’ny zanak’Israely i Arona rahalahinao sy ny zanany lahy, mba ho eo aminao. Koa hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako+ i Arona+ sy ny zanany lahy, dia i Nadaba, Abiho,+ Eleazara, ary Itamara.+
43 Ary hanaovan’i Arona sy ny zanany lahy izany, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo na manatona ny alitara hanompo ao amin’ny toerana masina, mba tsy hahameloka azy ka hahafaty azy. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho azy sy ny taranany mandimby azy.+
15 Ary hosory ho mpisorona izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy.+ Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy ireo. Noho izany fanosorana izany, dia ho afaka hanao ny asa fisoronana mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo, hatramin’ny taranany fara mandimby.”+