FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamaniny na manaiky ho voatarika hanompo an’ireny. Ary aza manao na inona na inona mitovy amin’ireo andriamanitra nataony,+ fa tsy maintsy azeranao ireny ary tsy maintsy torotoroinao ny tsangambatony masina.+

  • Deoteronomia 12:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Arodano ny alitarany+ ary torotoroy ny tsangambatony masina.+ Dory ny tsato-kazony masina,+ ary kapao ny sary sokitra+ izay andriamaniny. Foany tsy ho eo amin’ilay toerana intsony ny anaran’ny andriamaniny.+

  • Mpitsara 6:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ny alin’iny, dia hoy koa i Jehovah tamin’i Gideona: “Alaivo ny vantotr’ombilahin-drainao, dia ilay vantotr’ombilahy faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bala,+ izay an-drainao, ary kapao ny tsato-kazo masina eo anilany.+

  • 2 Mpanjaka 18:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Izy no nanala ny toerana avo+ sy namotipotika ny tsangambato masina+ sy nikapa ny tsato-kazo masina+ ary nanorotoro an’ilay bibilava+ varahina nataon’i Mosesy.+ Mbola nanolotra setroka ho sorona+ ho an’io bibilava varahina io mantsy ny zanak’Israely hatramin’izany andro izany, ka nantsoina hoe sampy bibilava varahina ilay izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara