-
Nomery 10:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Ary amin’ny andro ifalianareo,+ sy amin’ny fotoanan’ny fetinareo,+ ary isaky ny fiandohan’ny volana,+ dia hitsoka trompetra eo ambonin’ny fanatitra dorana+ sy ny sorona iombonana+ atolotrareo ianareo. Ho fampahatsiarovana ho anareo eo anatrehan’Andriamanitrareo ny fampiasana ny trompetra. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”+
-
-
2 Tantara 2:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hanorina trano ho an’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitro aho,+ mba hohamasiniko+ ho azy, sy handoroana emboka manitra+ eo anatrehany miaraka amin’ny mofo+ mifanaingina izay eo mandrakariva, ary mba hanaterana fanatitra dorana amin’ny maraina sy ny takariva,+ rehefa sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitray. Hataon’ny Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra+ izany.
-
-
Nehemia 10:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 ho an’ny mofo mifanaingina+ sy ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka+ sy ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, izay samy atolotra koa isaky ny sabata+ sy ny tsinam-bolana,+ ary koa ho an’ireo fety,+ sy ny zava-masina,+ sy ny fanatitra noho ny ota+ handrakofana ny fahotan’ny Israely, ary ny asa rehetra ao an-tranon’Andriamanitray.+
-