FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 41:52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 52 Ary nataony hoe Efraima+ ny anaran’ilay faharoa, satria hoy izy: “Efa nomen’Andriamanitra taranaka aho, eto amin’ity tany nahitako fahoriana mafy ity.”+

  • Genesisy 46:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary ny naterak’i Josefa tany Ejipta dia i Manase+ sy Efraima,+ izay naterak’i Asenata+ taminy. Zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona io Asenata io.

  • Genesisy 48:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tsy nety mihitsy anefa ny rainy, ka niteny hoe: “Fantatro ihany izany, anaka, fantatro ihany. Ho lasa firenena koa izy sady hahery.+ Ny zandriny anefa hahery noho izy,+ ary ny taranany ho maro be ka ho lasa firenena maro.”+

  • Nomery 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Ny fizarana misy ny tobin’i Efraima,+ araka ny tafiny avy, dia ho eo andrefana. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Efraima.

  • Nomery 26:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ary ireto avy ny taranak’i Efraima,+ araka ny fianakaviany avy: Avy tamin’i Sotela+ ny fianakavian’ny Sotelita, avy tamin’i Bekera ny fianakavian’ny Bekerita, avy tamin’i Tahana+ ny fianakavian’ny Tahanita.

  • Deoteronomia 33:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Tahaka ny voninahitry ny voalohan-teraky ny omby ny voninahiny.+

      Tandrok’ombidia ny tandrony,+

      Ary amin’ireo no hanosehany ny vahoaka,+

      Izay miaraka hatosiny hatrany amin’ny faran’ny tany.

      Ireo no alinalin’i Efraima,+

      Sy arivoarivon’i Manase.”

  • Mpitsara 12:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 koa hoy izy ireo taminy: “Mitenena àry, azafady, hoe: Shiboleta.”+ Ary hoy izy: “Siboleta”, satria tsy hainy tsara ny nanonona an’ilay teny. Dia nosamborin’izy ireo izy, ary novonoiny teo amin’ny toerana fiampitana an’i Jordana, ka Efraimita roa arivo sy efatra alina no maty tamin’izany fotoana izany.+

  • Jeremia 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Horoahiko tsy ho eo anatrehako ianareo,+ sahala amin’ny nandroahako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima manontolo.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara