10 Nanameloka+ an’i Davida anefa ny fony rehefa voaisany ny vahoaka. Koa hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao* re ny fahadisoan’ny mpanomponao, Jehovah ô!+ Fa hadalana be mihitsy no nataoko.”+
15 Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna,+ ary ny feon’ny fieritreretany+ koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy+ na manala tsiny azy mihitsy aza.