FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha ny marina anefa, dia izao no mbola namelako anao ho velona:+ Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+

  • Deoteronomia 28:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia ho hitan’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany fa antsoina eo aminao ny anaran’i Jehovah,+ ka hatahotra anao tokoa izy ireo.+

  • 1 Mpanjaka 8:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao,+ mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao,+ sy hatahorany anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao, ary hahafantarany fa ny anaranao no efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity!+

  • 1 Mpanjaka 18:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Tamin’ny fotoana+ fanolorana ny fanatitra varimbazaha, dia nanatona i Elia mpaminany ka nanao hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely+ ô! Aoka ho fantatra anio fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely,+ ary izaho dia mpanomponao, ka araka ny teninao+ no nanaovako izao zavatra rehetra izao.

  • 2 Mpanjaka 19:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+

  • Salamo 46:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Milefera ianareo, ary aoka ho fantatrareo fa izaho no Andriamanitra.+

      Hisandratra eo amin’ireo firenena aho,+

      Ary hisandratra eran-tany.”+

  • Isaia 52:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nampiharihary ny sandriny masina teo anatrehan’ny firenena rehetra i Jehovah,+ ary hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany efatra.+

  • Daniela 3:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa mamoaka didy aho+ fa izay vahoaka na firenena na olona avy amin’ny fiteny samy hafa ka miteny manohitra an’ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony+ izy ary ny tranony hatao kabinem-bahoaka.+ Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy toa azy.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara