FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 17:50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 50 Koa nahery noho ilay Filistinina i Davida nefa pilotra sy vato fotsiny no teny aminy, ka namely nahafaty azy izy. Ary tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.+

  • 1 Samoela 18:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanao hira nifamaly ireo vehivavy nitotorebika ireo hoe:

      “I Saoly nahafaty arivoarivo,

      Fa i Davida kosa nahafaty alinalina.”+

  • 1 Samoela 19:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nipoaka indray ny ady tatỳ aoriana. Dia nivoaka hiady tamin’ny Filistinina i Davida ary namely azy, ka be dia be no maty.+ Ary nandositra teo anoloany ny Filistinina.+

  • 2 Samoela 10:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Dia nandositra teo anoloan’ny Israely ny Syrianina.+ Ary mpitondra kalesy fitonjato+ sy mpitaingin-tsoavaly efatra alina no matin’i Davida teo amin’izy ireo. Ary nasiany koa i Sobaka lehiben’ny tafik’izy ireo ka maty.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara