-
Nehemia 9:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary hoy i Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia, izay samy Levita: “Mitsangàna ianareo, ka misaora+ an’i Jehovah ilay Andriamanitrareo hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!+ Aoka izy ireo hisaotra ny anaranao be voninahitra,+ izay mendrika ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
-
-
Daniela 4:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 “Rehefa tapitra izany fotoana+ izany, dia nanandratra ny masoko+ ho amin’ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary nody tamiko indray ny saiko. Dia nisaotra an’ilay Avo Indrindra aho,+ sady nidera sy nankalaza an’Ilay velona mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ satria ny fitondrany dia fitondrana mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ny fanjakany haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+
-