5 Ary tonga hatrany Bahorima+ i Davida Mpanjaka. Dia nivoaka avy ao ny lehilahy iray anisan’ny havan’i Saoly. Simey no anarany,+ ary zanak’i Gera izy. Nivoaka avy ao izy sady nanozona.+
13 Dia nanohy ny lalany i Davida sy ny olony, fa i Simey kosa nandeha tandrifiny teny amin’ny tehezan-tendrombohitra, mba hanozona azy.+ Ary nandeha tandrifin’i Davida izy, ka sady nitora-bato foana no nanipy vovoka be dia be.+