FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 3:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Eny, noroahiny ny olona. Ary napetrany teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena+ ireo kerobima+ sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

  • Eksodosy 25:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Manaova koa kerobima volamena roa. Tefeo amin’ny marotoa ireo ary ataovy eo amin’ny sisiny roa manaraka ny sakan’ilay sarony,+

  • 1 Mpanjaka 6:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nataony tao amin’ilay trano anatiny ireo kerobima.+ Nivelatra ny elatr’izy ireo, ka nipaka tamin’ny rindrina iray ny elatry ny kerobima iray, ary nipaka tamin’ilay rindrina anankiray kosa ny elatry ny kerobima iray. Nifampikasika teo afovoan-trano ny tendron’ireo elatra roa hafa.+

  • 1 Tantara 28:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 ary ny lanjan’ny volamena voadio ho an’ny alitaran’ny+ emboka manitra sy ho an’ireo kerobima izay sary mampiseho ny kalesy,+ dia ireo kerobima+ volamena mamelatra ny elany hanakonana ny tampon’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.

  • 2 Tantara 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia nopetahany volamena+ ny trano, sy ny hazo mitondra ny tafo, sy ny tokonana, sy ny rindrina, ary ny varavarana. Ary nasiany sarina kerobima voasokitra teny amin’ny rindrina.+

  • Ezekiela 41:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Nisy kerobima+ vita sokitra sy sarina hazo palmie+ tao, ka hazo palmie iray no teo anelanelan’ny kerobima roa. Nanana tarehy roa ny kerobima iray.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara