FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 9:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nanan-janakalahy atao hoe Saoly+ izy. Mbola tanora i Saoly sady tsara tarehy, ka tsy nisy lehilahy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’Israely. Lava be koa izy, ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny halavan’ny olona rehetra.+

  • 1 Samoela 10:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary izay rehetra nahafantatra azy taloha, dia nahita azy naminany niaraka tamin’ny mpaminany. Koa nifampiresaka ny olona hoe: “Fa naninona ity zanak’i Kisy? Anisan’ny mpaminany koa angaha i Saoly?”+

  • 1 Samoela 11:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Koa nankany Gilgala ny olona rehetra. Ary tao i Saoly no nataony mpanjaka teo anatrehan’i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tao,+ ka nifaly aoka izany+ i Saoly sy ny Israelita rehetra.

  • 1 Samoela 14:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Ary nanamafy orina ny fanjakany teo amin’ny Israely i Saoly,+ ka niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina, dia i Moaba,+ sy ny taranak’i Amona,+ sy Edoma,+ sy ireo mpanjakan’i Zoba,+ ary ny Filistinina.+ Nosaziny ireny, tany amin’izay rehetra nalehany.+

  • 1 Samoela 15:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa ny mikomy+ dia mitovy amin’ny manao sikidy,+ izay fahotana, ary ny minia miana-kendry dia mitovy amin’ny mampiasa herin’ny maizina sy terafima.*+ Nanda ny tenin’i Jehovah+ ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara