FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 14:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary niantso an’i Jehovah Andriamaniny+ i Asa ka niteny hoe: “Jehovah ô, tsy sarotra aminao ny manampy ny olona, na maro izy, na tsy manan-kery.+ Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa ianao no ianteheranay,+ ary amin’ny anaranao+ no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io. Jehovah ô, ianao no Andriamanitray!+ Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.”+

  • 2 Tantara 18:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Raha vao hitan’ireo lehiben’ny kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo anakampo: “Io mihitsy no mpanjakan’ny Israely.”+ Dia nivily izy ireo mba hiady taminy. Koa niantso vonjy+ i Josafata, ka nampian’i Jehovah.+ Dia nofitahin’Andriamanitra hiala teo aminy ireo.+

  • Salamo 46:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra.+

      Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.+

  • Salamo 50:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Antsoy aho amin’ny andro fahoriana,+

      Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra+ ahy ianao.”

  • Salamo 118:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireny,+

      Nefa novonoina toy ny afon-tsilo.+

      Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa no nandroahako azy ireny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara