FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+

  • Salamo 62:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Anao koa ny hatsaram-panahy feno fitiavana, Jehovah ô,+

      Fa ianao no mamaly ny tsirairay araka ny asany.+

  • Ohabolana 24:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Raha hoy ianao: “Tsy nahafantatra an’izany izahay”,+ tsy hahafantatra an’izany koa ve ilay mandinika ny fo?+ Mahalala an’izany tokoa ilay mandinika tsara anao,+ ary hovaliany araka ny nataony avy ny olona.+

  • Jeremia 32:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Manana fikasana+ lehibe ianao, ary maro ny asa vitanao.+ Mibanjina an’izay rehetra ataon’ny zanak’olombelona ny masonao,+ mba hamalianao ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany.+

  • Ezekiela 33:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Dia hoy ianareo: ‘Tsy mety ny ataon’i Jehovah.’+ Koa arakaraka izay nataonareo avy no hitsarako anareo,+ ry taranak’Israely ô!”

  • Matio 16:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa ny Zanak’olona efa voatendry ho tonga amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka hamaly ny tsirairay araka ny fitondran-tenany avy.+

  • Romanina 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy:+

  • 2 Korintianina 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa tsy maintsy haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy ny maha isika antsika rehetra,+ mba hahazoan’ny tsirairay avy ny valin’izay nataony, na tsara na ratsy, tamin’izy mbola olombelona.+

  • Galatianina 6:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aza manaiky ho voafitaka ianareo:+ Andriamanitra tsy azo vazivazina,+ fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.+

  • 1 Petera 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Mpitsara tsy miangatra+ ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra+ mandritra ny andro fivahinianareo.+

  • Apokalypsy 22:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Ho avy haingana aho,+ ary efa etỳ amiko izay tokony havaly+ ny tsirairay araka izay ataony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara