FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina+ sy ny zavamananaina* rehetra mihetsiketsika+ izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

  • Salamo 74:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ianao no nanetsika ny ranomasina tamin’ny herinao.+

      Ary novakinao tao anaty rano ny lohan’ny biby goavam-be any an-dranomasina.+

  • Isaia 51:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mifohaza! Mifohaza! Mitafia hery,+ ry sandrin’i Jehovah!+ Mifohaza toy ny tamin’ny andro fahiny, toy ny tamin’ny andron’ireo taranaka taloha ela be!+ Tsy ianao ve no nanorotoro an’i Rahaba+ sy nanatrobaka an’ilay biby goavam-be any an-dranomasina?+

  • Ezekiela 29:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Homelohiko ianao, ry Farao mpanjakan’i Ejipta,+ izay biby goavam-be any an-dranomasina+ mivalampatra ao amin’ny lakandranon’i Neily.+ Nilaza ianao hoe: ‘Ahy ny Reniranon’i Neily, ary izaho mihitsy no nanao azy ho an’ny tenako.’+

  • Ezekiela 32:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana an’i Farao mpanjakan’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: ‘Natao izay hampangina tanteraka anao, na dia liona tanora natanjaka aza ianao teo amin’ireo firenena.+

      “‘Toy ny biby goavam-be any an-dranomasina ianao,+ ary nataonao nifantsitsitra ny rano tao amin’ny renirano nisy anao. Nokobakobaninao tamin’ny tongotrao ny rano mba hiakaran’ny fotaka, ka nolotoinao ny renirano.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara