FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tatỳ aoriana, dia nitondra olona avy any Babylona+ sy Kota sy Ava+ sy Hamata+ ary Sefarvaima+ ny mpanjakan’i Asyria. Ary napetrany hisolo ny zanak’Israely tao amin’ireo tanànan’i Samaria+ ireo olona ireo. Dia naka an’i Samaria ho fananany izy ireo, ka nonina tao amin’ireo tanàna tao.

  • Isaia 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Rehefa vitan’i Jehovah daholo ny asany eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Asyria, noho izy manivaiva sy miandranandrana manambony tena.+

  • Isaia 30:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Fa hihorohoro i Asyria+ noho ny feon’i Jehovah. Hamely azy amin’ny tehina mantsy izy.+

  • Nahoma 3:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Rendremana+ ny mpiandry eo aminao, ry mpanjakan’i Asyria ô! Mijanona ao an-tranony ny olo-manan-kajanao.+ Naely eny an-tendrombohitra ny vahoakanao, ary tsy misy mamory azy.+

  • Zefania 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Haninjitra ny tanany hianavaratra izy, ka handrava an’i Asyria.+ Ary hataony tsy misy mponina i Ninive,+ ka ho karakaina toy ny tany efitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara