19 Tokony hanitsy anao ny ratsy nataonao,+ ary tokony ho anatra ho anao ny nivadihanao.+ Aoka àry ho fantatrao sy ho hitanao fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Tsy nahatonga anao hatahotra ahy+ anefa izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+
21 Nisy feo re teny amin’ny lala-masaka, dia ny fitomaniana sy ny fitalahoan’ny zanak’Israely. Fa niala tamin’ny lala-mahitsy+ izy ireo. Hadinony i Jehovah Andriamaniny.+
19 Jehovah ô, ianao no heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary toerana fandosirako amin’ny andro fahoriana.+ Hankany aminao ny firenena avy any amin’ny faran’ny tany,+ ka hanao hoe: “Nanana andriamani-diso*+ tokoa ny razanay ka nanompo zava-poana sy zavatra tsy nahasoa.”+